FAMPIANARANA KABARY : Maimaim-poana ny ao amin’ny “Fikambanana Ny Ampinga Kabary”

Ny hampianatra kabary maimaim-poana ireo vonona ny handranto fahaizana amam-pahalalana amin’izany no tanjon’ny “Fikambanana Ny Ampinga Kabary”. Izy io izay avoitrany amin’ilay teny filamatry ny fikambanana manao hoe: “Hampandroso hatrany ifotony ny Teny sy ny Soatoavina Malagasy”. Ireo mpianatra nisafidy ny hianatra andro alarobia araka izany dia ny Alarobia 17 septambra 2025 no hanomboka ny fidirana amin’izany.

Ny sabotsy 20 septambra 2025 kosa izany ho an’ireo nisafidy ny hianatra andro sabotsy. Ny alahady 21 septambra 2025 no fidirana ho an’ireo nisafidy ny hianatra andro alahady. Samy miditra amin’ny 2ora tolakandro avokoa ny fidirana ho an’ireo fampianarana rehetra ireo. Vina apetraky ny “Fikambanana Ny Ampinga Kabary” ny mba hananan’ny isan-tokantrano olona iray mahay mikabary. Ny kabary izay tsy afa-misaraka amin’ny olombelona raha vao teraka izy ka hatramin’ny andro hahafatesany.

Mizara telovolana telo ny 10 volana hianarana ny kabary ao amin’ny “Fikambanana Ny Ampinga Kabary”. Ny telovolana voalohany izay hianarana ny kabary tsy valiana. Ny telovolana faharoa izay hianarana ny kabary ankaratsiana (fahoriana). Ny telovolana fahatelo farany izay hianarana ny kabary am-panambadiana. Ny iray volana farany amin’ny taom-pianarana no hianarana ny kabary fanentanana lanonana mialoha ny hiatrehan’ny mpianatra fanadinana. Toeram-pampianarana miisa dimy no ahitana ny fampianarana kabary ho an’ny “Fikambanana Ny Ampinga Kabary” dia ny eny amin’ny EPP Antsahabe, ny eny amin’ny EPP Andoharanofotsy, ny eny amin’ny CEG Ampefiloha, ny eny amin’ny CEG Bemasoandro Itaosy sy ny eny amin’ny Lycée Privé Fanoellie Imerinafovoany ary ny eny amin’ny Lycée Privé St Jean Ambohimangakely.

Noho ny fahamaroan’ny mpianatra te handranto fahaizana amam-pahalalana momba ny kabary dia nanokatra toerana fampianarana kabary eny amin’ny EPP Amboaroy Alasora sy eny amin’ny EPP Andrefatsena Sabotsy Namehana, ny “Fikambanana Ny Ampinga Kabary”. Mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana ho an’ireo mbola te handranto fahaizana amam-pahalalana amin’izany sehatry ny kabary izany ho an’ny “Fikambanana Ny Ampinga kabary”. Ireo mpampianatra hampanovo fahaizana amam-pahalalana ireo mpianatra izay efa niofana amin’izany fampianarana kabary izany mba hahafahana miatrika ireo karazana kabary atolotra ny mpianatra, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi