FAMPISEHOAN’NY TARIKA OLOMBELO RICKY : Teny amin’ny “Palais des Sports” ny “Efa ela loatra… Dimy amby efapolo”

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny 6 aprily 2025, ny fampisehoan’ny tarika Olombelo Ricky. Tena niavaka ity fampisehoana teto Antananarivo ity satria nanasongadinan’ny tarika Olombelo Ricky ny kantony izany ho an’ireo « génération » rehetra.

Na ny « génération » tamin’ny taona 80 sy  90 na ireo « génération » tamin’ny fidiran’ny aterineto dia samy nahazo ny anjarany avokoa tamin’ity fampisehoana ity. Ity fampisehoana ity izay nentina nankalazana ny faha-45 taona niakaran’ity mpanakanto Malagasy ity an-tsehatra. Ireo mozikan’ny tarika Olombelo Ricky izay narafitra tao anatin’ireo rakikirany miisa 12 araka izany no nivetsoan’ity mpanakanto ity nandritry ny ora 4. Ireo mozikan’ny tarika nanomboka tamin’ny tantaran’i Kiala Ngita izany ka hatramin’izao « album » Tsikombakomba » izao. Niarahan’ny tarika Olombelo Ricky sy ny mpankafy niangaly araka izany ireo hira rehetra nandalo ireo vanim-potoana ireo, tamin’io fotoana io. “Efa ela loatra… Dimy amby efapolo” no lohateny nampitondrain’ny tarika Olombelo Ricky sy ny “Louvto company” izay tompon’andraikitra mpikarakara, ny fampisehoana, tamin’ity fankalazana ity.

Nanohana ofisialy ity fampisehoana ity ny orinasam-pifandraisana Yas Madagasikara sy ny zava-pisotro THB. Nanohana ihany koa ny Tranom-piantohana NY HAVANA 67 Ha sy ny “E-media”. Nisy ihany koa ireo haino ama-njery nanohana sy niara-niasa.

Vous aimerez aussi