Ankoatra ny fitiavana mozika lalim-paka ao amin-dRakotoniaina Apponame Jocelyn. Anisan’ny nanosika azy nanangana ny trano fanaovana famerenana Studio « Apponame » izay najoro etsy amin’ny 67 Ha Avaratra andrefana (Market) ihany koa ny fitondrana ny anjara birikiny ho fampivoarana sy fampiroboroboana ny mozika malagasy ary ho fanampiana ireo mpanakanto ho amin’ny famelarana ny talentan’izy ireo.
Misokatra, sahaza ny rehetra
Nomarihan’i Apponame izay mpikambana mpihira eo anivon’ny Kaiamba ary miantsoroka ny lafiny fanamafisam-peo ny tarika fa misokatra ho an’ny mpanakanto rehetra ny foto-drafitrasa ary noezahana ho takatry ny rehetra ny sarany. Noezahana hanome fahafaham-po feno ho an’ireo rehetra mampiasa ny « Studio » ihany koa ireo fitaovana rehetra miasa eny an-toerana, hoy i Apponame ary olombelona efa manana traikefa sy haizatra matanjaka eo amin’ny fikirakirana ny feo no miasa ao anatiny. Tarigetra ho an’i Apponame sy ireo mpiara-miasa aminy ny hametraka « mozika mateza » (mahatety vanimpotoana maro mifandimby) fa tsy « mozika mandalo ». Ity farany izay tsy mahafeno ny famaritana ny atao hoe : « Kanto ». Deraina ny ezaka vitany, hoy ireo mpanakanto maro be tonga nifanotrona tamin’ny fanokanana, ny faran’ny herinandro teo izay samy velom-bolo amin’ny fisian’ity Studio vaovao ity.
