Hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha sy hampitombo ny vola miditra ao amin’ny kitapo-bolam-panjakana ary hampisongadina ny vakoka malagasy ny fahalanian’ilay tolo-dalàna momba ny fanalalahana amin’ny fikirakirana sy fivarotana ny toaka gasy, hoy, ny solombavambahoaka lany tany Ambositra Nomenjanahary Simon.
Vakoka sy fiharian-karena
Ankoatra ny fanaovana asa tanana vita amin’ny hazo, anisan’ny vakoka manamarika ny any Ambositra ihany koa ny famokarana toaka gasy. Kaominina miisa 09 izay samy ao amin’ny faritra atsinanan’Ambositra no tena mamokatra ny toaka gasy. Anisan’ireny ny ao Imady, Ambinanindrano, Ambohimitombo i sy II. Manao asa velon-tena amin’ny famokarana toaka gasy avokoa ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ireo kaominina ireo. Ho an’ny ao Ambinanindrano, ohatra, mahatratra hatrany amin’ny 1 000 « bidons mavo » no vokatra isanandro mivoaka any an-toerana.
Mila fandanjalanjana
« Hitondra fiakaran’ny harin-karen’ireo tantsaha tokoa ny fanalalahana ny toaka gasy saingy tokony hisy ny fepetra ampiarahana amin’izany hisorohana ny mety ho fahasimban’ny tontolom-piaraha-monina na fikorontanan’izany mihitsy ». Io no fanehoan-kevitra nentin’ny mpanabe iray. Tsy tokony ho hadinoina, hoy izy fa voasokajy anatin’ny zava mahadomelina ny zavapisotro misy alikaola toy ny toaka gasy.
Anisan’ny mety hampahazo vahana hatrany ny tsifandriampahelamana ihany koa, araka izany, ny fanalalahana azy. Mila fandanjalanjana sy famakafakana lalina ny famoahana ny didy fampiharana ho an’ity lalàna momba ny toaka gasy ity mba tsy hampisara-bazana sy sanatria hitondra korontana eto amin’ny tany sy fanjakana.
Ny avy eo anivon’ny antenimieran-doholona moa izao dia fantatra fa hampihemotra ny fotoana handinihana azy ity. Ireo mpino kristianina kosa efa mitsipaka marindrano ny fanalalahana ny famokarana sy fivarotana toaka gasy eto Madagasikara.
