FANAMBARAN’NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA : Foana ny fotoam-pivavahana rehetra, mikatona mandritry ny 15 andro ny sekoly

Namoaka fanambarana ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, androany sabotsy 21 martsa maraina teo. Voalazan’io fanambarana io, taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, mikasika ireo olona telo voamarina fa voan’ilay valan’aretina Coronavirus eto amintsika, ary saika olona avy any ivelany avokoa izy ireo, tamin’ny alalan’ny kardinaly Desiré Tsarahazana, fa misy ny aretina ary miantso ny mpino kristiana rehetra mba hiray hina sy hiombom-bavaka amin’ity valan’aretina ity. Miantso ny mpiray tanindrazana ihany koa ny kardinaly, fa fotoan’ny firaisankina  izao  fa tsy hijerena antoko intsony, fa mba hametraka izay firaisankina izay  ny malagasy tsy vaky volo rehetra.  Voalazan’io fanambarana io, fa foana avokoa ny fotoam-pivavahana  katolika rehetra mandritry ny 15 andro.  Ny fivoriana eo anivon’ny Eglizy katolika,  ny sekoly katolika rehetra manerana ny nosy ary ny toeram-piofanana rehetra ho an’ny katolika, dia foana ary mikatona mandritry ny 15 andro araka ny voalaza. Miantso ny vahoaka malagasy ho tony ny kardinaly. Manana ilay Ray Mpiahy izay naniraka ny zanany hiaro  antsika amin’ny areti-mandringana  ny kardinaly Desiré Tsarahazana. Noraisina izao fepetra izao, mba hiarovana ny vahoaka sy ny mpino rehetra tsy ankanavaka amin’ity aretina Coronavirus ity.

Vous aimerez aussi