FANAMPIANA IREO MPIARA-BELONA : Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananany i Bénédicte

Ragositera Bénédicte, renim-pîanakaviana, Zanaky Morondava, manokana ny androm-piainany manontolo ho fanampiana ireo Mpiara-belona aminy tojo olana amin’ny endriny marolafy eo amin’ny fiainana. « Ny fananako ilay tsindrimandry miseho amin’ny endrika nofy no ahafahako mamaha ireo olana mety ho tojo ny Olombelona » hoy i Bénédicte. Misy hatrany, hoy, izy ny feo mibitsika mangina ato anatiko manoro ny tokony hatao manoloana ireo olana mahazo ireo Olombelona tonga mitsabo tena sy mila fiarovana amin’ny ratsy tonga, etsy, Tsarahonena Ampandrianomby (Manoloana ny EPP Tsarahonenana)

Miompana betsaka amin’ny fanalana ireo mety ho endrika fisomparana noho ny fialonana sy ny fiarovana ilaina amin’izany, araka izany, ny sehatra iasan’i Bénédicte. Tsongaina amin’izany ny fanafoanana ny sakana mitarika tsy fahombiazana eo amin’ny asa fivelomana ataon’ny tsirairay, ny mosavy, fiainam-pitiavana tsy milamina, voan-kanina, homamiadana, fandika, fiandry, vehivavy momba (tsy miteraka) sns. Akora voajanahary no ampiasain’i Bénédicte amin’ny fanatanterahana ny asany. Anisan’ireny ny tantely, ravinkazo, rano alaina eny amin’ireo Doany, ranomasina, sns Misy hatrany ny fitrotroana am-bavaka, hoy i Bénédicte. Nomarihany fa tsy mifanohitra amin’ny fivavahana kristianina ny asa famahana olana ireo Mpiara-belona ataony ary misy ny fiaraha-miasa ataony amin’ireo Mpitsabo « Dokotera ». Ny fanarahana ireo fepetra takian’ny asa fitsaboana sy fiarovana no antoky ny fahombiazana amin’ny fanalana ireo sakana rehetra eo amin’ny fiainana izay ataoko, hoy, hatrany i Bénédicte. Ity farany izay efa mandia ny faha valo ambiny roampolo taona niseharana teo amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana ananany. Ankoatry ny fanalana ireo sakana mety hataon’ireo mpankahala eo amin’ny fiainana noho ny fialonana. Manana fanafody voajanahary ho an’ireo Lehilahy manana olana eo amin’ny filahiana ihany koa Ragositera Bénédicte. Marihana fa mpikambana feno ao anatin’ny « Fikambanan’ny Mpitsabo nentim-paharazana raokandro Malagasy famonjena sy ny ny « ANTM » i Ragositera Bénédicte. Tsy ny Malagasy ihany no tonga mitsabo tena sy mitady fiarovana amin’ny asan’ireo mpanao ratsy, ao amin’i Bénédicte fa maro ihany koa ireo teratany Vahiny, tonga, eny Tsarahonena Ampandrianomby misy ny toeram-ponenany.

Vous aimerez aussi