FANOLOANA SEFOM-POKONTANY : Tsy mbola manaraka ny lalàna koa ny fitondrana

Araka ny lalàna dia telo volana aorian’ny fandraisan’ny Ben’ny Tanàna vaovao ny asany no tokony hirosoana amin’ny fifidianana izay ho lehiben’ny fokontany. Anisan’ny fanazavana nentin’i Thierry Rakotonarivo, Administrateur civil,  manam-pahaizana momba ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana eto amintsika izany, manoloana ny fihazakazahan’ny fitondrana ankehitriny manolo ireo sefom-pokontany manerana ny Nosy, izay tokony hamita ny asany.

Araka izany dia tsy nisy nanaja ny lalàna mifehy ny fokontany ireo mpitondra nifandimby fa dia samy nanendry ny olony avokoa. Tahaka izany ny miseho ankehitriny, izay efa saika novaina avokoa ny ankamaroan’ny sefom-pokontany.

Fifidianana

Tokony ho miainga amin’ny fifidianana izay ataon’ny fokonolona, feno 18 taona anefa ny fametrahana ny lehiben’ny fokontany. Tanterahina eo amin’ny fivoriambe ny hifidianana ny lehiben’ny fokontany iray sy ny lefiny iray. Atao amin’ny alalan’ny fotoam-pifidianana roa samihafa izany raharaha izany.

Alefa any amin’ny lehiben’ny Distrika na ny Prefe, izay solontenam-panjakana kosa avy eo ny anaran’ilay lehiben’ny fokontany sy ny lefiny izay voafidy ireo. Koa tendreny amin’ny alalan’ny didim-pitondrana mba hitantana ny fokontaniny izy ireo.

Araka ny fanazavana dia tsy manana fe-potoam-pitantanana ny sefom-pokontany saingy azon’ny lehiben’ny Distrika atao ny manala azy ireo amin’ny fotoana rehetra. Saingy mifidy izay handimby azy kosa avy eo ny fokonolona.

Tokony hanaja ity rafitra ity, araka izany, ny fitondram-panjakana izay mirehareha fatratra fa tàn-dalàna.

Vous aimerez aussi