Ny Faritra Analamanga dia nanolotra fanampiana sy fanohanana ny polisim-pirenena izay manatanteraka ny asany amin’izao fiezahana mamehy ny fiparitahan’ny aretina Covid-19 eto Antananarivo izao. Tsy vao voalohany izao fanampiana ataon’ny Faritra Analamanga ny Polisim-pirenena izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nisolo tena ny Governora nanatitra izany fanampiana izany tetsy Tsaralalana ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra ary nandray ny fanampiana ny “Commissaire Central” eto Antananarivo renivohitra. Vary 40 gony, tsaramaso 4 gony, menaka 24 litatra, gel 5 litatra, savony 20 baoritra, koba 10 gony ary solika 2 000 litatra ireo fanomezana ireo, raha ny voafaritra anaty sertifika momba izany.
