Ho vakiana samy hanana Distrika 3 avy ny Faritr’i Vatovavy sy Fitovinany. I Vatovavy Fitovinany, izay manana Distrika 6.
Efa vita rahateo ihany koa ny volavolan-dalàna mahakasika izany fizarana izany.
Voalaza manko fa mahafeno ny fepetra rehetra amin’ny maha-Faritra azy i Vatovavy raha ny harena ao aminy no asian-teny. Eo koa anefa ny fomba fitantanana azy.
Manana ireo foto-drafitrasa sy harena samihafa kanefa mahatsiaro ho zanak’Ilakahafa manko ny mponina ao, hoy ny depioten’i Mananjary, Andrianandrasana Norbert, ka izany no antony izao fitakiana izao.
Efa maro rahateo ny dingana natao. Teo koa ny hetahetan’ny Fitondrana ny amin’ny hizarana ity Faritra ity.
Koa ho zaraina Distrika 3 avy ny Faritra, ka hitambatra ao Vatovavy i Mananjary, Nosy Varika ary Ifanadiana. Ho an’i Fitovinany kosa dia Manakara, Vohipeno ary Ikongo.
Mbola hisy, araka izany, ny fandaminana eo anivon’ny Fanjakana sy ny Solombavambahoaka amin’ny fanatanterahana izay fizarana izay.
Manantena ihany koa ny mponina ao amin’ireo Faritra ireo fa tsy ho ela ny fanatanterahana izany, mba hitondra fampandrosoana haingana kokoa. Noho izany, ho lasa 23 ny isan’ ny Faritra. Andrasana kosa ny fanendrena ireo Governora mba hisian’ny fampandrosoana miaraka.
