Feno 60 taona katroka amin’ity taona ity ny nijoroan’ny Lalam-piofanana Toe-karena eny amin’ny Oniversiten’Ankatso-Antananarivo. Tsangambaton’izany fankalazana izany ny fanavaozana fotodrafitrasa lehibe iray ao amin’ity Lalam-piofanana ity izay heverina fa hahazaka olona miisa 150. Manodidina ny 100 tapitrisa ariary ny saran’ny asa fanavaozana. Antony ilan’ny komity mpikarakara ny fankalazana ny fiaraha-mientan’ny rehetra.
Hanaovan’izy ireo antso avo amin’izany ireo “Alumni” na ireo maintimolaly eto an-toerana sy any am-pitandranomasina rehetra izay efa nivoaka tao amin’ity Lalam-piofanana Toe-karena ity sy ireo izay nahita soa tao amin’izany Lalam-piofanana izany. Na izany aza anefa dia hisy ihany ny hetsika fitadiavam-bola hotanterahan’ny komity mpikarakara. Izy io izay hiarahana amin’ny tarika Samoela, ny 28 jona 2025, eny amin’ny By Pass. Arahina alim-pandihizana hafanain’ny DJ Shinchan izany avy eo.
Mahasarika tanora maro
Ankoatran’ny hetsika fitadiavam-bola dia hanatanteraka hetsika hafa ihany koa ny komity mpikarakara. Anisan’izany ny fandraiketina anaty boky ireo tantaran’ny Lalam-piofanana Toe-karena tao anatin’izay 60 taona nijoroany izay. Hanasan’ny komity mpikarakara ireo rehetra manana tahirin-kevitra sy sary rehetra mahakasika izany ny olona rehetra ka mba hanatitra izany eny amin’ny Lalam-piofanana Toe-karena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ity vato fototry ny fananganana efitrano mahazaka olona miisa 150 ao amin’ny Lalam-piofanana Toe-karena eny amin’ny Oniversiten’Ankatso ity dia natokana ho efitra lehibe hanatanterahana fivoriana sy handraisana hetsika maro samihafa. Eo ihany koa ny fijerena manokana ny ho avin’ireo tanora taranaka fara aman-dimby izay mbola handranto fahaizana amam-pahalalana eny an-toerana.
Mihamaro hatrany isan-taona ny tanora mpianatra beazina eny amin’ny Lalam-piofanana Toe-karena eny amin’ny Oniversiten’Ankatso kanefa ny trano fianarana tsy mitombo isa. Antony hanavaozana ny fotodrafitrasa mba hahafahan’izy ireo miaina anaty fotodrafitrasa manara-penitra. Ireo tanora mpianatra ao amin’ny Lalam-piofananan Toe-karena izay efa mahatratra 3.000 ny isan’ireo amin’izao fotoana izao ka ao amin’ny taona voalohany avokoa ny 1.500 isa amin’izany. Efa manomboka tamin’ny taona 2024 ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Lalam-piofanana Toe-karena, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Lalam-piofanana Toe-karena, Pr Randriamanampisoa Holimalala.
