Mba hanatsarana ny fiainana andavanandro indrindra fa ny tontolon’ny ara-pananahan’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny ray aman-dreny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy dia nanatontosa tetikasa “pilote” tany amin’ity faritra ity, ny “ International Youth Alliance for Family Planning Madagascar” na ny “IYAFP Madagascar”. Tetikasa izay niompana tamin’ny fampahafantarana ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny tanora sy ho an’ny Ray aman-dreny na ny “Programme d’Education complète à la sexualité et au genre”.
Natomboka tamin’ny volana janoary lasa teo ny tetikasa ka nofaranana ny volana may 2025. Anton’izao fampahafantarana ny tetikasa momba ny fanabeazana ara-pananahana feno izao ny fahalalana fa mitondra vohoka aloha loatra ireo tanora any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ireo. Mialoha ny faha-18 taonan’ireo ankizivavy eto Madagasikara ireo dia iray amin’ny telo no efa mitondra vohoka. Any Toliara sy Ambovombe ary Mananjary no tena ahitana izany antontan’isa izany betsaka indrindra. Mitondra vohoka aloha loatra ihany koa ireo ankizivavy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ireo noho ny tsy fisian’izany firesahana momba ny fananahanana izany eo amin’izy ireo sy ny Ray aman-dreny. Matahotra ny hiresaka izany ihany koa izy ireo any an-tsekoly satria saro-pady any an-toerana ny firesahana fananahana. Tsy feno araka izany ny fanabeazana azon’ny ankizivavy sy ny ankizilahy indrindra fa ny tanora hany ka manaonao foana izy ireo. Manoloana ny zava-misy dia nataon’ny “IYAFP Madagascar”, laharam-pahamehana, ny fampiofanana ireo tanora ireo, ny “Programme d’Education complète à la sexualité et au genre”.
Naompana tamin’ny lohahevitra manodidina ny fanabeazana ara-pananahana feno sy ny fombafomba ary ny fanambadiana aloha loatra indrindra fa ny fitondrana vohoka aloha loatra ny fampiofanana. Tanora miisa 330 izay manodidina ny 13 ka hatramin’ny 30 taona no nanatrika ny fampiofanana. Tovovavy ny 76 isan-jato raha tovolahy ny 24 isan-jato tamin’izy ireo. Tsy ireo tanora ihany anefa no notolorana izany fampiofanana momba ny fanabeazana ara-pananahana feno izay fa na ireo Ray aman-dreny ihany koa aza dia nomena fahalalana mahakasika izany.
Tsy ampy fanabeazana mahakasika izay ara-pananahana izay ihany koa ireo Ray aman-dReny any an-toerana. Nomena torolalana ny maha-zava-dehibe ny firesahana ny fanabeazana ara-pananahana feno mahakasika ny zanaka araka izany ireto Ray aman-dReny ireto nandritry ny fampiofanana.Miisa 307 no voahofana ka ny 70 isan-jato amin’izy ireo no Reny raha Ray ny 30 isan-jato. “Certificat” miisa 330 no notolorana tamin’ireo nahavita ny fampiofanana hatramin’ny farany.
Nisy ny dinidinika teo amin’ny “IYAFP” sy ny fiaraha-monina
Ankoatry ny fanoroana hevitra mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana feno, ny zanaka sy ny ray aman-dreny, dia tsy nataon’ny “IYAFP Madagascar”, ambanin-javatra nandritra ity tetikasa ity ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny fiaraha-monina. Fotoana izay niarahana tamin’ireo zanaka sy ray aman-dreny, ireo olobe, ireo mpitarika eny amin’ny fiaraha-monina sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ary ireo fikambanam-behivavy miisa 150. Teo ihany koa ny nizaran’izy ireo boky miisa 600 mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana feno. Salaka lamba miisa 1.200 ho an’ireo tovovavy.
Tanjona tao anatin’izao tetikasa nofaranana ny talata 3 jona 2025 izao ny hanatsarana hatrany ny andavanandrom-piainana indrindra fa ny tontolon’ny ara-pananahan’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny ray aman-dreny. Ny “IYAFP” izay mbola manjohy hatrany ny tetikasan’ny torolalana sy ny torohevitra amin’izany fanabeazana ara-pananahana feno izany mba hanalana sahirana ireo tanora sy ray aman-dreny.
Hitohy hatrany ihany koa ny fanaraha-maso mahakasika ny filàna vaovaon’ ireo mpisitraka. Tsy hijanona any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ihany ny tetikasa tahaka izao fa hotohizana any amin’ny faritra sy fokontany hafa mba ho fanabeazana ara-pananahanana feno ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny “IYAFP”, Ramparaoelina Tendry.


