“FESTIVAL DE TRAILS MADAGASCAR” : Ny 21 jona 2025 no fotoana eny Ambohijanaka

Ny “Festival de trails Madagascar” izay karakarain’ny fikambanana Kolovatana no hotanterahana, eny Ambohijanaka, ny 21 jona 2025. Taranja roa samihafa no endriky ny fifaninanana ho hita amin’io fotoana io. Hohampiarahan’ny tompon’andraikitra mpikarakara mantsy ny fifaninanana amin’ny dia an-tongotra sy ny fifaninanana amin’ny bisikileta.

Ny fifaninanana amin’ny dia an-tongotra izay voalohany no ahitana hetsika hiarahan’olon-droa lahy sy vavy. Izy io izay hotanterahana amin’ny halaviran-dalana 7km. Ny ekipa sy ny mpiara-miasa ary ny mpiray fikambanana no nasaina tamin’ny fandraisana anjara amin’izany. Hotanterahan’ireo mpandray anjara maniry ny hihazakazaka irery kosa ny halaviran-dalana 21km. Ankoatra izay dia fifaninanana amin’ny bisikileta natao ho an’ny ankizy izay hotanterahana amin’ny halaviran-dalana 5km no ho hita. Hisy ihany koa ny “Cross Country” 21km ary ny “Enduro-DH” ho an’ireo mpankafy ny hazakazaka am-bisikileta mahery setra kokoa. Izy io izay fidinana hatrany no hanatanterahana azy.

Miara-miasa amin’ny “C Care” ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny “Festival des trails Madagascar” eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fanomezana “certificat médical” maimaim-poana ho an’ireo mpandray anjara. Miara-miasa ihany koa amin’ny ligin’ny “Cyclisme Madagascar” sy ny Fakiolten’ny “EGS” ary ny “Acta Excellence Consulting” sy ny maro samihafa. Nifarana ny 15 jona 2025 teny amin’ny Kinaka MG Antsahabe ny fisoratana anarana tamin’ity “Festival de trails Madagascar”, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Kolovatana, Andriamamonjy Mihasintsoa.

Vous aimerez aussi