FFKM : Betsaka ny lesoka hita : kolikoly, fanararaotam-pahefana, tsi-fisian’ny fangaraharana,…

Aoka hiverina amin’i Jesoa amin’ny fibebahana marina fa Izy no mitondra ny aretintsika sady mivesatra ny fahoriantsika ( Isaia 53 : 4 DIEM), ary hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina, izay mitaona antsika HIHAVANA. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) izany nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta, tetsy amin’ny Fiangonana FJKM Katredraly Analakely.

Betsaka ny lesoka hita, hoy ny fanambarana. Anisan’izany ny kolikoly, ny fahalovana isankarazany, ny fanararaotam-pahefana, ny tsi-fanarahan-dalàna, ny tsi-fisian’ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny fanampiana, ny fifanomezan-tsiny sy ny fifandranitana samihafa.

Samy manana andraikitra amin’izany faharatsiana izany ny Mpitondra na ny entina,…Tsy miara-mijery ny tombontsoa iombonana isika ary manalavitra ny fifankatiavana sy ny fihavanana. Koa ‘ndao hiverina amin’ny Tompo ary hanaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina.

Nisaoran’ny FFKM ihany  koa anefa ny ezaka efa vitan’ny Mpitondra Fanjakana, izay hentina amim-bavaka mba hiroso amin’ny tsara hatrany sy ao amin’ny fahamarinana.

Nentaniny koa ny vahoaka Malagasy mba samy hampiasa ny talentany ho amin’ny famokarana.

Nantsoiny ihany koa ny Fanjakana mba hanohy ny ezaka amin’ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus sy ny hafa, amin’ny fitsinjarana ny asa araka ny fahaizan’ny tsirairay.

Tsy adinon’ny FFKM ihany koa ny mivavaka ho an’ny mpiantsehatra ara-pahasalamana rehetra.

Mampahery ny vahoaka izy amin’ny fanarahana ny fandaminana izay apetraka na dia eo aza ny fahasarotana indarindray.

Mitaona ny rehetra mba samy hiombom-bavaka hamaky sy iaina ny tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny FFKM, satria izany no fiadiana mahery iatrehana izao fahasahiranana izao.

Vous aimerez aussi