Namoaka fanambarana koa ny teo anivon’ny FFKM na Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, manoloana ilay aretina Coronavirus tonga eto amintsika. Aoka ho tony isika vahoaka Malagasy ary aoka hifampitondra am-bavaka amin’izao fidiran’ny areti-mandringana izao. Aoka tsy handairan’ny tsaho amin’ny vaovao aely any amin’ny tambanjotran-tserasera, fa ny vaovao ofisialy avy amin’ny fanjakana ihany no raisina. Fotoana ny fanentanana sy ny firaisan-kina ary fiombonam-bavaka izao, fa tsy fotoan’ny fanomezan-tsiny intsony, hoy hatrany ny FFKM.
Hikatona avokoa ny fiangonana sy ny toeram-pivorina rehetra mandritry ny 15 andro, araka ny fanambaran’ny filoha Rajoelina Andry. Efa nisy ny fepetra sy ny andraikitra noraisin’ny fitondram-panjakana manoloana ny fidiran’ilay aretina teto amintsika. Efa vonona kosa ny toerana andraisana ireo olona ahiana ho mitondra io aretina io, toa ny eny amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka. Miasa ho an’ny vahoaka Malagasy ny fanjakana ary aoka samy ho tony. Arovy ny fianakaviana, ny manodidina, ny mpiara-monina ary aoka samy hifanentana ny tsirairay amin’izao aretina Coronavirus tonga eto amintsika izao. Aoka hivavaka isika, fa Andriamanitra no momba sy miaro antsika amin’ny areti-mandoza sy areti-mandringana, hoy ny fanambarana.
