FIAINANA ANDAVANANDRO : Miverina amin’ny laonina tsikelikely

Azo ambara fa efa  miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fiainan’ireo mponina eto Antananarivo renivohitra, raha mijery ny zava-mitranga eny amin’ny fiaraha monina isan’andro hatramin’izay nilazan’ny filoham-pirenena, fa ho alefahana izay ny fepetra hiatrehana izao krizy ara-pahasalamana izao. Miverina ny fifanaretsahana eny an-tsena sy eny amin’ireo toerana be mpivezivezy nahazatra hatramin’izay. Miverina toy izany ihany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny ora maha be mpampiasa ny lalana. Efa zary naman’ny sery madinidinika na aretin’andoha mandalo fotsiny ny fahitan’ireo mponina eto andrenivohitra  ilay aretina Covid 19, raha ny fihetsika ivelany asehon’izy ireny. Tsy nahafaty olona an-jatony toy ny tazomoka sy ny dengue rahateo koa moa ilay izy ka dia izay angamba no iheveran’ireo mponina azy ho azo hiaraha-miaina sy resena mora toy ireo aretina
madinika hafa rehetra.

Vous aimerez aussi