FIAINANA ANDAVANANDRO : Miverina amin’ny laoniny ny asam-panjakana

Miverina amin’ny teo aloha avokoa ny asa rehetra ary anisan’izany indrindra ny asam-panjakana nanomboka ny maraina teo, teto Antananarivo. Tsy misy intsony ny « service minimun », ho an’ity farany.  Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana manoloana ny fakana ny fepetra fihibohana izay nohalefahana, ka ahazoana miasa hatramin’ny 3 ora tolakandro.

Ny fampianarana kosa dia ireo kilasy hanao fanadinana ihany no mianatra mandritra ny tapak’andro maraina.

Mifandraika amin’izany dia hiasa hatramin’ny 5 ora hariva kosa ireo fiara fitaterana na ny taksibe.

Raisina hatrany ny fepetra

Manoloana izany anefa dia mila tsaroana hatrany ny fepetra iadiana amin’ny valanaretina coronavirus, satria mihamitombo ny fifaneraserana sy ny fifampikasohana.

Noho ny fihibohan’ny toekarena dia noraisina izao fepetra izao satria miha-maro hatrany ny olona sahirana noho ny tsy fahafahana miasa an-kahalalahana kanefa ny fanampiana toa mikatona tanteraka.

Vous aimerez aussi