Tsy nitsahatra ny nanakaiky hatrany ny mpanjifany ny MVola hatramin’izay 15 taona nisiany teto Madagasikara izay. Manaporofo izany ny fanamorany ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy tsirairay avy. Saika efa mampiasa ity sehatra fikirakirana ara-bola amin’ny alalan’ny tontolo dizitaly izay tsy azo ihodivirana ity avokoa ny Malagasy aman-tapitrisany, amin’izao fotoana izao. Fifanakalozana ara-bola nomerika amin’ny alalan’ny finday izay tsy mila mikirakira taratasim-bola intsony mantsy ny MVola.
Lasa vokatra ilain’ny andavanandrom-piainan’ny mpanjifa ankehitriny mihitsy aza ny MVola. Na ao an-tokantrano na eny an-dalambe na aiza na aiza toerana misy anao dia afaka mitantana ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy amin’ny fomba tsotra ny MVola. Tsy mila mivoaka ny trano intsony araka izany fa afaka atao ao anatin’ny segondra vitsy amin’ny alalan’ny finday ny MVola. Na ny fandoavana fandaniana samihafa toy ny faktioran’ny jirama, ny saram-pamandrihana “canal +”, ny fividianana tapakila amin’ny fampisehoana, ny filalaovana amin’ny “Bet 261” sy ny maro samihafa dia vita eo no ho eo noho ny MVola. Afaka mampisitraka tolotra maro samihafa kanefa tsy misy sakana ara-potoana na ara-toerana fa amin’izay misy anao eo ihany dia vita ny MVola.
Ankoatra ireo dia azo ampiasaina amin’ny fanjifana eny amin’ireo toeram-pivarotana isan-karazany ihany koa ny MVola toy ny eny amin’ny tranombarotra lehibe, eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody, eny amin’ny farmasia, eny amin’ny toeram-pivarotana madinika, eny amin’ny toeram-pivarotana kojakoja momba ny trano sy eny amin’ny toerana maro samihafa, ny MVola. Na eo amin’ny sehatry ny fitaterana ihany koa aza dia manamora kokoa ny fiainana amin’ny fandoavana fiantsonana fiara na ny “parking”, ny fiarakaretsaka na ny “taxi” sy ny “taximoto” ny MVola. Izy io izay azo tanterahana amin’ny alalan’ny “transfert” tsotra. Toraka izany ihany koa any amin’ny raharaharam-pianakaviana maro samihafa.
Miditra an-tsehatra amin’ny fanampiana amin’ny fanatontosana ny serivisy ara-panjakana amin’ny fomba nomerika ihany koa ny MVola. Antony hanakaikezany hatrany ny olom-pirenena eo amin’ny alalan’ny fandoavana hetra, ny fanamarinana ara-panjakana na serivisy hafa amin’ny alalan’ny finday. Anisany mpiara-miombon’antoka amin’ny fitondram-panjakana manakaiky ny fitantanana amin’ny raharaham-bahoaka araka izany ny MVola. Ity fiaraha-miasan’ny roa tonta ity izay manamafy ny fifandraisana sy ny fahatokisana eo amin’ny vahoaka syn y fitondram-panjkana. Ankoatra izay dia azo atao ihany koa amin’izao fotoana izao ny mandoa latasakemboka any amin’ny “Cnaps” amin’ny alalan’ny MVola. Io fifanaraham-piaraha-miasan’ny MVola sy ny “Cnaps” io izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny 23 jona 2025.
Tanjon’ny MVola ny hanala sahirana hatrany ny filàna eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy aman-tapitrisany. Ny MVola izay nanamafy fa andraikitr’izy ireo ny manohana ny Malagasy eo amin’ny fiainany andavanandro mba hanomezana azy ireo tolotra sahaza ny rehetra, ny manova fihetsika ny tsirairay ho hetsika haingana kanefa azo antoka sy mangaraharaa ary manamora ny fiainan’ny Malagasy satria misy lanjany avokoa ny fihetsika tsirairay, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny MVola, Louis Olivier Favot.
