Ny tontolo andron’ny Alahady 28 Septambra hoavy izao, etsy amin’ny “Bet kneset” (Trano fivavahana) Ankasina, no hanamarika ny “Yòm Teroa” na ny “fetin’ny trompetra” ireo avy eo anivon’ny Fiangonana”Hebreo notsrym” tarihan’i Shalar Rija Andriamady.
Ny “Fetin’ny trompetra” izay midika ho fankalazana ny fiavian’i Mesia eny amin’ny rahon’ny lanitra. Maneho ny fahatsiarovana ny nidiran’ny Zanak’Israely tao Kanana izay tany nampanantenaina azy ireo ihany koa ny “Yòm Teroa”.
Azo ambara sy hazavaina ho fanamarihana ny “Taom-baovao lohataona” ihany koa ny fankalazana ny “Fetin’ny trompetra” ho an’ny fiangonana”Hebreo notsrym” Fotoana fangatahana tsodrano sy fitahiana mba hahavokatra amin’ny asa fambolena sy ny fiompiana atao mandritra ny taom-piasana ihany koa, araka izany, ny “Yôm Teroa” noho ny Fiangonana “Hebreo notsrym” manaraka ny tsingerim-pambolena ny Alimanakan’izy ireo. Marihana fa Ny Hebreo sy ny Malagasy ihany no mankalaza Taom-baovao miisa roa. Nomarihan’ny Shalar Rija Andriamady fa samy mitombona sy marim-pototra avokoa ny fankalazana ny “Taom-baovao lohataona” sy ny “Taom-baovao fidiovana” koa tsy tokony hiteraka fisaraham-bazana fa vao mainka aza hampiray hina hatrany.
Manaporofo indray izany fa maro amin’ny Malagasy no taranaka Hebreo. Hisy ny fotoam-pivavahana sy sakafo ary fitsofan-drano ataon’ireo raiamandreny mba ho Soa sy ho zina ny taona. Nanterin’ny Shalar Rija Andriamady hatrany fa mila miverina amin’ny fivavahan-drazany ny Malagasy mba hahafahana miala amin’ny “Ozon-drazana” mahazo antsika ankehitriny. Teny hatsipy ho an’ny “Manam-panahy”.
