Ny Alahady 18 Janoary hoavy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy Ankasina”Bet kneset” trano fivavahan’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Efajato metatra atsinanan’ny Gare routière Maki Andohatapenaka, amin’ny ankavanan-dalana, trano simenitra lehibe miendrika sambo no hanatanteraka fifanakalozan-kevitra malalaka ny fikambanana”Malagasy Nosy miavaka” izay misy ny Fiangonana Hebreo notsrym. Hitarika ny fifanakalozan-kevitra i Shalar Andriamady Rija, mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara.
Antom-pisian’ny fanatanterahana ny “konferensa” ny fahatsapana fa maro amin’ireo Olombelona manaraka ny fandaharana amin’ny Onjam-peo no manana faniriana te hivavaka hiaraka amin’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Mila fantarina aloha ny fivavahana Hebreo sy ny litorjia mampiavaka ny fivavahana Hebreo mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra hiroso na tsia ho amin’ny fanarahana azy, hoy, i Shalar Andriamady Rija. Manana ny fomba fitafiny, sakafo mampiavaka azy ihany koa ireo manaraka ny fivavahana Hebreo notsrym koa mila fantarina avokoa izany. Ankoatry ireo efa mangetaheta ny hivavaka amin’ny Fiangonana Hebreo notsrym dia andrasana handray anjara mavitrika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana malalaka ireo tsy resy lahatra amin’ny fanarahana ny fivavahana Hebreo. Tanjon’ny fanatanterahana ny fifanakalozan-kevitra, araka izany, ny hampahafantarana bebe kokoa hatrany ho an’ny besinimaro ny tontolon’ny fivavahana Hebreo. Tsy fandresen-dahatra no atao, hoy, i Shalar Andriamady Rija ny Alahady 18 Janoary ho avy izao, etsy Ankasina, fa fifanakalozan-kevitra ho tsinjo dia ho an’ny rehetra.


