FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » : Nankalaza ny « Rhag soukot »

Ny Alahady 13 Oktobra dila teo, tao Ankasina, Antananarivo no nanombohan’ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara, nanamarika sy nankalaza ny « rhag soukot » Adika tsotra amin’ny fiteny malagasy hoe : « Fetin’ny trano rantsan-kazo » izay nitohy, tany Antsirabe, ny Sabotsy 19 ary nofaranana ny Alahady 20 oktobra lasa teo tany an-toerana. Ny Soukah, midika ho « trano tomboka » na trano rantsan-kazo » ary ny Rhag « fety ara-panahy ».

Maharitra havaloana (valo andro) ny fotoam-pankalazana ny « Rhag soukot » Ny andro voalohany, fahafito ary ny fahavalo no hanatanterahana ny « Mikra kodesh » na fotoam-pivavahana lehibe anatin’ny « Rhag sokot » Ny trano rantsan-kazo izay toerana vonjimaika nametrahan’i Adonaï ireo Zanak’Israely mandrapahazoan’izy ireo ny tena tranon’izy ireo dia ny tany nampanantenaina dia i Kanana izany (Maneho ny arivo taona). Mampitamberina ny voasoratra anatin’ny « Torah » (baiboly) izay manambara fa nampilasy ny Razambenareo aho, fony izy ireo nivoaka avy any Egypta ny « Rhag soukot » Ankoatra izay, fotoana, fanamarihana ny fanangonam-bokatra ihany koa ny « Rhag soukot » Azo hazavaina tsotra ho « Fetim-bokatra » ihany koa, araka izany, ny fanamarihana ny « rhag soukot ». Mitondra ireo vokatra ao amin’ny trano fivavahana ireo mpino eo anivon’ny « Fiangonana Hebreo notsrym» mandritra ny fankalazana.

Tandindon’ny fotoam-pararano izay hijinjana ny vokatra ka hiavahan’ny vary sy ny tsiparifary (nafafin’ny fahavalo) ny « Rhag soukot » amin’ny maha fetim-bokatra azy. Ho an’ny « Fiangonana Hebreo notsrym », araka izany, tsy hisy ho diso anjara amin’ny fandovana ny fiainana mandrakizay (Tany voadio, tsy misy ota) ireo rehetra mandray anjara amin’ny « rhag soukot» Amin’ny andro farany dia hanangona ny Zanaky ny fanjakana ho any an-tsompitra ary ny Zanak’ilay ratsy ho dorana any amin’ny afo ny Anjely. Manambara ny fararano lehibe fahataperan’izao Tontolo izao ihany koa, araka izany, ny « rhag soukot » ho an’ny fiangonana Hebreo notsrym. Raha fintinina, maneho ny fiavian’ny mpamonjy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny « Rhag soukot » Ity farany (rhag soukot) izay antoka iray lehibe ho an’ireo mpino eo anivon’ny fiangonana Hebreo notsrym fa tsy ho diso anjara amin’ny fandovana ny fiainana mandrakizay izy ireo (Voa tsara voahangona ao an-tsompitra) Amin’ny ara nofo, nomarihan’i Shalar Andriamady Rija, mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym, fa mitondra fitahiana sy fahasoavana eo amin’ny fiainana ny fanatanterahana ny « rhag soukot ». Nomarihany hatrany fa tsy maintsy milatsaka ny orana izay singa iray lehibe tsy afa misaraka ho amin’ny fahombiazan’ny asa fambolena rehefa mankalaza ny « Rhag soukot » nanomboka tamin’ny taona 2010 ny Fiangonana Hebreo notsrym. Tsy orana manimba ny voly fa antonony ilaina ho amin’ny fambolena no milatsaka mandritra izany. Maneho ny fankasitrahana hita maso avy amin’i Adonai izany, hoy hatrany i Shalar Andriamady Rija. Azo antenaina ho taona zina ny taom-pambolena ary ho lavitry ny tondran-drano mahafaty ny (Mala)Gasy raha mankalaza ny « rhag soukot » ny maro amintsika izay voamarina fa taranaka Hebreo.

Vous aimerez aussi