FIANGONANA “HEBREO NOTSRYM” : Nankalaza ny “Yôm Teroa”, nitondra am-bavaka ny Firenena

Ny tontolo andron’ny Alahady 28 Septambra lasa teo, tetsy amin’ny “Bet kneset” (Trano fivavahana) Ankasina, no hanamarika ny “Yôm Teroa” na ny “fetin’ny trompetra” ireo avy eo anivon’ny Fiangonana”Hebreo notsrym” tarihan’i Shalar Rija Andriamady.

Ny “Fetin’ny trompetra” izay midika ho fankalazana ny fiavian’i Mesia eny amin’ny rahon’ny lanitra. Maneho ny fahatsiarovana ny nidiran’ny Zanak’Israely tao Kanana izay tany nampanantenaina azy ireo ihany koa ny “Yôm Teroa”.

Ankoatry ny fitondrana am-bavaka ny taom-pambolena mba ho zina dia niantso fitoniana ho an’ny Vahoaka Malagasy ihany koa i Shalar Rija Andriamady mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara. Nitrotro am-bavaka ny Firenena ihany koa ireo teo anivon’ny Fiangonana Hebreo notsrym manoloana ny zavamisy iainan’ny Malagasy ankehitriny. Ankoatry ny fisian’ny fotoam-pivavahana sy fitsofan-drano nataon’ireo Raiamandreny dia nandrafitra ny fandaharam potoana teny Ankasina ihany koa ny fiaraha-misakafo “Hanim-pitoloha” nialohavan’ny Vary amin-tantely tondraha-dronono.

Azo ambara ho fanamarihana ny “Taom-baovao lohataona” ihany koa ny fankalazana ny “Fetin’ny trompetra” ho an’ny fiangonana”Hebreo notsrym” Marihana fa ny Hebreo sy ny Malagasy ihany no mankalaza Taom-baovao miisa roa. Nomarihan’ny Shalar Rija Andriamady fa samy mitombona sy marim-pototra avokoa ny Fankalazana ny “Taom-baovao lohataona” sy ny “Taom-baovao fidiovana” koa tsy tokony hiteraka fisaraham-bazana fa vao mainka aza hampiray hina hatrany. Manaporofo indray izany fa maro amin’ny Malagasy no taranaka Hebreo. Dihy sy toto-rebika no tazana tetsy Ankasina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny trompetra.

Vous aimerez aussi