FIANGONANA « M K P M M ANKADILALANA FINOANA-125 TAONA » : Tsy manavaka, mandala ny fiombonana hatrany

Ny Fiangonana MKPMM na « Misiona Kristiana Protestanta Malagasy Mahaleo tena » Ankadilalana Finoana dia Fiangonana Protestanta Kalvinista « Calviniste » Izany hoe : Avy amin’ny LMS (London Missionary Society) izay niorina tamin’ny taona 1901 Ny Pasitera Rainiketamanga sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky no nanorina ny trano fiangonana, izay mbola mijoro mandraka ankehitriny, etsy Ankadilalana. Ny taona 1847 no teraka ny Pasitera Rainiketamanga ary nodimandry ny 1937. Marihana fa efa « DK » n’ny Praiminisitra Rainilaiarivony ny Pasitera Rainiketamanga ary niara-niasa akaiky tamin’ireo mpanjaka nifandimby tao Anatirova noho izy azo lazaina ho Pasitera sangany sy nanana ny maha izy azy.

Nanan-janaka niisa telo ambiny folo ny Pasitera Rainiketamanga. Ny Vavimatoany izay nanambady katolika. Azo heverina fa anisan’ny niteraka disadisa sy tsy fitoviam-pijery teo amin’ireo « Misionera » sy ny Pasitera Rainiketamanga ny naneken’ity farany ny hanambadian’ny Zanany vavy lehilahy hafa finoana. Azo itarafana ny fananan’ny Pasitera Rainiketamanga ilay toetra tia mampiombona sy mampiray ary tsy manavakavaka anatin’ny finoana ny Ray, Zanaka ary Fanahy masina ny nanekeny ny hanambadian’ny Zanany vavimatoa lehilahy katolika. Foto-kevitra izay mbola ijoroan’ny Fiangonana MKPMM Ankadilalana finoana mandraka ankehitriny.

Araka ny loharano ara-tantara, ny Pasitera Rainiketamanga dia mpitandrina tao amin’ny LMS Ambavahadimitafo tamin’ny taona 1885-1888, noho ny olana ara-pitantanana na ara-piangonana (antony manokana tsy voafaritra mazava amin’ny loharano sasany) dia nesorina tamin’ny asany maha-mpitandrina azy izy tamin’ny11 Novambra 1888. Niteraka korontana tamin’ny fiangonany izany fanesorana azy izany, ary niafara tamin’ny fananganana hetsika niteraka fisarahana tamin’ny fiangonana lehibe. Nivory ireo mpitandrina avy amin’ireo fiangonana manodidina. Anisan’izany ny London Missionary Society (LMS), ny Mission Protestante Française (MPF), ary ny Friends’Foreign Mission Association (FFMA), mba hiresaka momba ny zava-nitranga, ary niafara tamin’ny fanesorana an’i Rainiketamanga sy ny fanilikilihana ireo mpanohana azy izany. Ireo zava-nitranga ireo dia niteraka fiovana sy fihetsiketsehana vaovao teo amin’ny tontolon’ny fiangonana protestanta teto Madagasikara. Maneho ireo ady anaty sy fiovana teo amin’ny fiarahamonina kristiana tamin’izany fotoana izany. Naverina ho mpitandrina tao Atsimon’i Mahamasina indray tamin’ny taona 1890 ny Pasitera Rainiketamanga. Ny famerenana azy ho mpitandrina izay manamafy indray fa nanan-danja sy nahitana fahatokisana izy, na teo aza ilay fanesorana vonjimaika. Ny taona 1901 no nanorenan’I Pasitera Rainiketamanga sy ireo niaraka taminy ary ireo mpanaradia azy miisa 500 ny Fiangonana Protestanta Mahaleo tena teo Ankadilalana. Ny taona 1904 ny fiangonana dia niova anarana ho “Mission Protestante Indépendante Indigène de la Tranozozoro – Centre de Propagande Antranobiriky” ary lasa “Fiangonan’i Madagasikara Zanaky ny Baiboly” tamin’ny taona 1907. Rajaonary sy Rainimiarandraisoa dia anisan’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’i Rainiketamanga tamin’ny fananganana ny fiangonana. Izy ireo dia nanao asa lehibe tamin’ny fitandremana sy fanapariahana ny finoana protestanta mahaleo tena. Ny Taona 1960 izay nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany no niova anarana ho Misiona Kristiana Protestanta Malagasy Mahaleo tena ny Fiangonana.

Ny Piripitra miisa roa (Ankavia sy ankavanana) anisan’ny mampiavaka ny trano Fiangonana MKPMM Ankadilalana finoana.

Manana ny rafi-pitondrany sy ny rafim-pitantanany amin’ny maha « Calviniste » azy ny fiangonana MKPMM Ankadilalana finoana ary manana ny maha izy azy toy ny « ritoaliny » sy ny « litorzia » manokana fa tsy mitovy amin’ny protestanta hafa. Mitazona hatrany ny maha « Fiangonana reformé » azy hatrany ny MKPMM Ankadilalana finoana. Mijoro eo anivon’ny fiangonana ny sampana velona rehetra toy ny (Sampana tanora, fifohazana, Dorkasy, sekoly alahady, SLK, STK…)

Maro ny fanavaozana efa natao teo anivon’ny fiangonana. Tsongaina amin’ireny ny fanorenana ny rarivato lehibe iarovana ny mety ho fihotsahan’ny fiangonana, ny fanamboarana ny tilikambo, fanavaozana ireo dabiliom-piangonana, fanatsarana ny atiny sy ivelany, fanorenana ny trano vadim-piangonana. … Miavaka amin’ny fananana pilipitra miisa roa mitovy ny fiangonana MKPMM Ankadilalana finoana. Entina hanehoana amin’ny endrika ivelany fa samy tenin’Andriamanitra mitovy avokoa no zarain’ny ny mpitory sy ny mpamaky teny. Ho tsangambaton’ny faha-125 taona nijoroan’ny Fiangonana MKPMM Ankadilalana finoana ny hanavaozana manontolo ny tafon’ny trano fiangonana. Ankehitriny, ny Pasitera Randrianera Jean Théodore, no Pasitera faha- telo ambiny folo filohan’ny MKPMM Ankadilalana finoana sy mpitandrina. Mandia ny faha- 22 taona nitandremana ny Fiangonana ny tenany.

Vous aimerez aussi