FIANGONANA « MANAMBOARA VATSY » : Miroborobo ny asa fitoriana hataony…

Ny Sabotsy 25 Janoary dila teo, tao amin’ny Espace Fihantana Ambohimangakely, no nanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Fiangonana Manamboara vatsy, tarihan’ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy, ny « Tsodrano lehibe ». Fotoana sy fihaonam-be izay nentina ihany koa nifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ireo mpiray fanantenana sy ny Evenjelisitra ary nahafahana nanao jery todika ny taona lasa sy hibanjinana ny hoavy.

Vory lanona sy maro teny an-toerana ireo mpino avy amin’ny lafivalon’ny Nosy toy ireo avy any Farafangana, Fianarantsoa, Toliary, Antsirabe, Ihosy, sns. Ankoatry ny fitsofan-drano lehibe ho amin’ny fitahiana nataon’ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy ho an’ireo mpino mba hanana fahombiazana amin’ny lafiny rehetra eo ampamakivakiana ny fiainana dia nahafahana nametraka ireo paikady vaovao hahafahana manabe voho hatrany ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny Fiangonana Manamboara vatsy izay mifototra amin’ny fananganana indray ny fahamarinana efa rava ihany koa ity fihaonam-be ity. Tafiditra anatin’izany ny fampitomboana ny hafainganam-pandeha ho amin’ny fanapariahana ny filazantsara. Hisy ny fananganana ny foiben’ny Onjam-peo « Emmanuel Radio » FM 94.8 any Morondava sy ny faritra atsinanana. Hiara-dalana amin’izany ihany koa ny fanokafana ireo Fiangonana vaovao toy ny any Bealanana, Befandriana, sns ary ny fampitomboana isa ireo Pasitera hanatanteraka ny asa fitoriana. Nandritra ny fanatanterahna ity fihaonam-be ity ihany koa no nanolorana medaly marim-pankasitrahana ho an’ireo Pasitera telo mirahalahy nahitana an’i Pasitera Inescole, Rodolphe ary i Tsitohaina izay samy mpiara-miasa akaiky amin’ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy. Marihana fa miatrika fiofanana eto Antananarivo ankehitriny ireo Pasitera avy any amin’ny faritra izay haharitra iraika ambiny roampolo andro.

Ny taona 2005 no niorina ny Fiangonana Manamboara vatsy izay manana ny foibeny etsy Anosibe. Mampiasa mandrakariva ny teknolojian’ny serasera sy ny fifandraisana hatrany ho amin’ny fanabeazam-boho ny asa fitoriana ny filazantsara ny Fiangonana manamboara vatsy ary misehatra ihany koa amin’ny fanatanterahana ireo asa sosialy. Azo ambara ho fahombiazana ny taona 2025 ho an’ity Fiangonana ity.

 

Vory maro ireo mpino, nandritra ny fanatanterahana ny « Tsodrano lehibe », tetsy Ambohimangakely.

Vous aimerez aussi