FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA : Aoka samy hisaotra noho ny areti-mandringana tsy tonga eto

Aoka mba hanokana fotoana isaorana an’Andriamanitra noho ny Coronavirus tsy mbola mahavoa an’i Madagasikara ankehitriny. Anisan’ny antso avo nataon’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (na ny FJKM), ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi ho an’ny rehetra  izany, io maraina io.  Ary mila angatahina hatrany ny fiarovan’Andriamanitra antsika mba tsy ho tratran’izany, hoy ihany izy.

Mila italahoana koa ny famindrapon’Andriamanitra  ho an’izao tontolo izao, izay notiavin’Andraimanitra, tamin’ny nanomezany ny Zanany Lahitokana ho famonjena mba hitsaharan’izao areti-mandringana izao.

Mila mivavaka ho an’ireo tompon’andraikitra tsirairay avy mba hotolaran’Andriamanitra saina amin’ny tokony hataon’izy ireo na amin’ny fisorohana ny aretina na ny fitsaboana ny marary sy ny ahitana ny fanafodiny.

Karemy sy fandinihantena

Nampahatsiahy koa ny Filohan’ny FJKM fa ato anatin’ny karemy isika. Koa aoka samy handini-tena sy hibebaka amin’ny fo mba tsy ho marina amintsika ny teny nampitondrain’i Jehovah an’ Isaia mpaminany hoe : « Efa naterako areti-mandringana ianareo… nefa tsy niverina tamiko ihany, hoy i Jehovah ». Amosa 4 : 10

Raiso ho fitiavan’Andriamanitra mitaona antsika amin-kery hiala amin’ny ratsy fanaontsika avy izao areti-mandringana izao ka hiverenatsika amin’i Jesoa Kristy ; Ilay efa naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika, ka ny dian-kapoka taminy no nanasitranana antsika.

Tompon’ny fahefana rehetra Jesoa Kristy

Ny Fiangonana dia mampahery antsika fa mbola tompon’ny fahefana rehetra  any an-danitra sy ety an-tany ihany Jesoa Kristy, hoy hatrany ny Filohan’ny FJKM.

Koa tsy ny aretina na ny herim-pahafatesana akory no tompon’ny tantara fa Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty.

Izany no hampiaina antsika amin’ny fiadanana na dia mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza.

Ny fanekentsika an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy antsika no havaozintsika isan’andro isan’andro.

Koa mba ho tanteraka amintsika izao tsodrano izao, manao hoe : « Aza manahy na inona na inona  fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hentinareo manambara ny fangatahanareo  amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra ary ny Fiadanan’Andriamanitra  izay mihoatra ny fahalalana rehetra no hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesoa.

Vous aimerez aussi