FIANTSONAN'NY ZOTRA E "KOLOINA" TSIAZOTAFO : Anaty fanariam-pako sy ahiana hitera-doza

Toerana fametrahan’ny eo anivon’ny Kaominin’Antananarivo ny daba-pako lehibe no misy ny fiantsonan’ny faran’ny zotra E, anatin’ny “KOLOINA” mampitohy ny Renivohitra amin’Ambohimangakely. Vokany, mizaka sy mievoka tsy fidiny ny fofona maimbo sy mavoroka noho ireo fako danihan’ny andro ireo Mpanjifa milahatra mitanjozotra isanandro vaky etsy Tsiazotafo mampiasa ity Zotra fitaterana ity. Tsy ny fahasalamana ihany anefa no tandindomin-doza eny an-toerana fa ahiana mafy ihany koa ny fisian’ny lozam-piarakodia ho an’ireo miandry ny fiara eny an-toerana ; noho izy ireo tafiditra anatin’ny arabe rehefa eo am-pilaharana. Nahagaga, araka izany, ny nanesorana ny fiantsonan’ny Zotra E, teny, ambany tetezan’ny Behoririka. Ity farany izay lasa toeram-pivarotana fanaka, kiraro tonta, sns ankehitriny. Entanina ireo tomponandraikitra isan-tokony mba hidina ifotony hijery akaiky ny olana ateraky ny famindrana ny fiantsonan’ny Zotra E “KOLOINA” etsy Tsiazotafo. Fotoanan’ny fanavaozana sy fanova na ho amin’ny tsaratsara kokoa rahateo izao. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany koa no filazana fa anisan’ny mampitaraina fatratra ny mponin’Ambohimangakely ny namindran’ny Ben’ny Tanàna Volondoranjy tamin’ny nitantanany ny Tanàna ny fijanonana “Arrêt” teo amin’ny “MANAMBINA” izay nakisany anatin’ny toerana misy fiolanana izay ahiana hitera-doza ho an’ireo miandry ny fiara fitaterana eny an-toerana. Entanina, araka izany, ny Ben’ny Tanàna amperinasa ankehitriny hamerina izany amin’ny laoniny fa mijaly ny Mponina.

Vous aimerez aussi