FIARAM-PANJAKANA SY FIARANA PARLEMANTERA : Misy fepetra ny fahafahany mivezivezy

Anisan’ireo fiara afaka mifamezivezy amin’ireo fatitra vokasiky ny aretina Covid-19 ireo fiaram-panjakana sy an’ireo parlementera. Ho an’ireo fiaram-panjakana, dia tsy maintsy manana takelaka mena sy taratasy ara-dalàna. Tsy maintsy kosa manana “ordre de mission” sy karatra maha mpiasa « carte professionnelle » ireo mpandeha ao anatiny. Ho an’ny fiaran’ireo depiote na loholona indray dia tsy maintsy misy ny “cocarde”. Tsy maintsy ao anatiny ihany koa ny parlementera na ilay hoe “présence physique” ary tsy maintsy manana ny karatra maha mpikambana azy ao anaty parlemanta ka mampiseho izany an’ireo mpitandro filaminana izay misahana ny fifamezivezena amin’ireo lalàm-pirenena.

Vous aimerez aussi