FIAROVANA NY MPANAO GAZETY : Vita sonia ny fifanarahana

Ny fiarovana ny mpanao gazety eny an-kianja no anisan’ny vontoatin’ny fifanarahana natao tamin’ny mpitandro filaminana. Tontosa ny fanaovan-tsonia izany, ny akalamisy lasa teo, teny amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, eny Nanisana.

Efa nandritra ny telo taona no nandinihana ity fifanarahana ity kanefa izao vao tontosa izany noho ny fiaraha-midinika.

Somary manahirana manko ny raharaha satria milaza ho mahatsiaro voaelingelina ny mpitandro filaminana indraindray. Ny mpanao gazety koa anefa, etsy ankilany, mahatsapa fa masiaka loatra ny mpitandro filaminana, kanefa dia samy manao ny asany ny roa tonta ary azo lazaina ho tsy afa-misaraka ireo.

Manoloana izany no nisian’ny fifampiresahana, izay navadika ho fifanarahana ka nahatonga izao fifanaovan-tsonia izao, izay fifanaraham-piaraha-miasan’ny roa tonta.

Noho izany no nanambaran’ny Kolonely Mamisoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa fampanjakana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana no atao ary koa  fanatanterahana ny fiarovana ny mpanao gazety eo am-panantanterahana ny asany.
Irina, araka izany, fa hitsahatra ny herisetra manjo ny mpanao gazety, indrindra ireo mpaka sary, eo am-panaovana ny asany.

Vous aimerez aussi