FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mitondra ny anjara biriky ny orinasa STAR

Maherin’ny 280 ny isan’ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Star, nandray anjara, tamin’ny fambolen-kazo tany Andranovelona, tamin’ny 14 febroary 2026.

Zana-kazo maherin’ny 6 000 no ambolena ao amin’io ozinina Star io amin’ity taona ity. Tsy ny tao Andranovelona ihany no nandraisan’ny mpiasan’ny orinasa Star, anjara tamin’ireo hetsika ara-pambolenkazo, fa teo ihany koa ny tany amin’ny Faritra hafa toy ny tany Menabe sy DIANA. Tsy diso anjara tamin’izany fanamaitsoana ny tontolo iainana izany ihany koa ny tany Ambatolampy. Maherin’ny 12 000 ny isan’ireo zana-kazo novolen’ny orinasa Star  tany amin’ny Kaominina Tsiafajavona. Kaominina izay efa mpiara-miombon’antoka aman-taonany maro amin’ny orinasa. Ny orinasa STAR izay mandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto  Madagasikara mba ho an’ny taranaka. Ny MALTO  izay orinasa mivondrona ao amin’ny STAR no mbola mitana andraikitra lehibe amin’ity fambolen-kazo fiarovana ny tontolo iainana ity raha ho an’ny orinasa STAR. Manana toerana famokarana zanan-kazo maoderina ny orinasa MALTO. Mamatsy zana-kazo ho an’ireo tantsaha mpiara-miombon’antoka aminy sy ho an’ireo mpiara-miasa ary ihany koa ho an’ireo mpiara-miasa aminy amin’ny sehatra isan-karazany. Ny taona 2025 dia zana-kazo maherin’ny 194 000 izay nahitana karaza-kazo samihafa miisa 48 no notsinjarain’ny MALTO.

Mitondra ny anjara birikiny avokoa araka izany ireo mpiara-miasa manerana ny nosy amin’ny alalan’ireo hetsika isan-karazany. Mampiseho izany fa tsy famokarana zava-pisotro fotsiny no ifantohany fa mitsinjo ihany koa tontolo iainana. Manamafy ny fanoloran-tenany ho amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany ny STAR amin’ny alalan’izao famokarana zana-kazo ao amin’ny MALTO izao. Anton’izao fanohizana ny fanoloran-tenan’ny orinasa STAR izao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fotoam-pambolen-kazo nasionaly 2026. Mizara hafaliana ho an’ny mpiray tanindrazana ihany koa ny STAR ankoatry ny fiarovana ny tontolo iainana, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi