FIATREHANA NY FOTOAM-PAHAVARATRA : Efa mivonona amin'izany ny eny Bemasoandro

Mba hiatrehan’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ny fotoam-pahavaratra ankehitriny dia hividy kodiarana fiara efa niasa ny kaominina. Handray an-tanana ihany koa ireo avy any amin’ny malala-tanana. Tanjona ny hisorohana ny tondra-drano eny an-toerana. Iny kodiarana fiara efa niasa iny no hanamboarana tetezana mba hahafahan’ny mponina miampita amin’ny toerana iray. Ireo mponina isaky ny Fokontany no hanatanteraka ny asa. Hampihena ny isan’ireo traboina eny amin’ny kaominina Bemasoandro ity tetikasa ity raha toa ka vita soa aman-tsara ny fanatanterahana azy. Nahatratra 500 ny isan’ireo tokantrano traboina teny an-toerana ny volana janoary sy febroary 2024. Ankoatran’ity tetikasan’ny kaominina ity dia manokatra tsy mitsahatra ny tata-drano no sady manadio ny tanàna ihany koan y kaominina mba hanampiana tosika ireo tetezan-kazo fiampitan’ny mponina amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ny kaominina izay efa mivonona hatrany amin’ny Tranompokonolona ho fandraisana an-tanana ireo traboina raha sanatria ka misy izany. Eo ihany koa ny tranolay avy amin’ny BNGRC. Fokontany miisa dimy no tena lasibatry ny tondrandrano eny amin’ny kaominina Bemasoandro. Anisan’izany ny eny Ambohikely, Ampasika avaratra, Ampasika afovoany sy Ambohidahy ary Ambodin’Amberivatry izay nampisaraka ny kaominina Bemasoandro sy ny kaominina Ambohidrapeto, araka ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, Ranitratsilo Jimmy.

Vous aimerez aussi