FIFANINANANA « PRIX PIERRE CASTEL » 2025 : Haompana kokoa amin’ny fambolena sy fiompiana ary tontolo iainana

Hiompana kokoa amin’ny fanomezan-danja ireo tetikasa mitondra fanavaozana sy mampiasa ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary indrindra fa mitsinjo ny tontolo iainana, ny fifaninanana « Prix Pierre Castel », izay karakarain’ny « Fonds Pierre Castel », amin’ity taona ity.

Tanjona ny hanomezana vahana bebe kokoa ireo tanora mpandraharaha eto Afrika ka tohanana ara-bola izy ireo amin’izany mba hampiroboroboany ny orinasany. Famatsiam-bola miampy tantsoroka sy fanofanana isan-karazany no loka azon’izay tsirairay mivoaka mpandresy, amin’izany. Famatsiam-bola izay mitentina 25.000 Euros ho azy fito mpifaninana ka tafakatra 35.000 Euros indray izany tetibola izany ho an’ny mpifaninana mitana ny laharana voalohany eo amin’izy fito ireo.

Ny fifaninanana ho an’ny loka nasionaly araka izany ity mitentina 25.000 Euros ity raha ny mpifaninana mendrika indrindra amin’ ireo enina naharesy lahatra ny mpitsara no hiatrika ny fifaninanana Iraisam-pirenena ny 7 jolay ho avy izao. Io loka Iraisam-pirenena io ilay mitentina 35.000 Euros. Ireo orinasa miisa 7 ao anatin’ny “Groupe Castel” dia ny “Castel El Djazair” any Algerie, ny “BRAKINA” any Burkina Faso, ny “Boissons du Cameroun” any Cameroun, ny “SOLIBRA” any Cote d’Ivoire, ny “BRACONGO” any “RD Congo” sy ny “BRASIMBA” any “RD Congo” ary ny Star avy eto Madagasikara, no afaka mampandray anjara ireo tanora mpandraharaha rehetra te hifaninana ao aminy.

Ity fifaninanana « Prix Pierre Castel » ity no tafiditra an-tsehatra teto Madagasikara, tamin’ny taona 2022, dia noho ny fiarahany miasa tamin’ny Star. Noho izany dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy ary mipetraka eto Madagasikara ireo mpifaninana te handray anjara amin’ny “Prix Pierre Castel” raha ho antsika eto Madagasikara, manokana. Ankoatra izay dia tanora mpandraharaha feno 18 ka hatramin’ny 45 taona no afaka mifaninana. Manana orinasa efa mijoro ara-dalàna ihany koa ary efa niasa iray taona farafahakeliny. Ny tetikasa ho entiny izay tokony hampivoatra ny lafiny ara-tsosialy sy ny ara-toekarena ary ny ara-tontolo iainana.

Tamin’ ity andiany ity dia nisokatra ny 14 aprily ka hatramin’ny 30 mey 2025 ny fandraisana sy fisoratana anarana ho an’ ireo te handray anjara rehetra. Ny 2 ka hatramin’ny13 jona 2025 ny fanaovana ny sivana. Ny 16 ka hatramin’ny 24 jona 2025 ny fitsidihana eny an-kianja. Ny herinandron’ny 30 jona no fiatrehana ny mpitsara eto an-toerana sy ny fisafidianana izay mpandresy malagasy.

Ny herinandron’ny 7 jolay no fiatrehana ny fitsarana lehibe sy ny fisafidianana ny mpandresy afrikanina. Ireo antontan-taratasy ilain’ny mpandray anjara dia alaina ao amin’ny “candidature-prix-pierre-castel.com » raha eo ihany koa ny dika mitovy amin’ny kara-panondro sy ireo antontan-taratasy hafa, arak any fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara, ao amin’ny Star.

Vous aimerez aussi