FIFIDIANANA NY SOLONTENAN’NY CENI : Mampanahy ny fanemorana. Hisy malety angaha ?

Mampanahy fatratra ireo Solombavambahoaka TIM ny fanemorana ny fifidianana izay ho solon’ny Filoha Lefitry ny Vaomiera mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), Thierry Rakotonarivo, eo anivon’ny Antenimierampirenena.

Mbola ny fomba taloha ihany no entina ao amin’ny Antenimierampirenena ankehitriny, hoy ny solontenan’ny depiote TIM. Matoa tonga ireo kandidà dia efa tapaka ny hanaovana izany androany fa rehefa tsy mitovy ny hevitry ry zalahy mpanaradia ny Fitondrana dia hoe ahemotra. Kanefa izany no hihavian’ny kolikoly sy ny malety tahaka ny teo aloha.

Mbola manandanja lehibe eo amin’ny seha-pifidianana manko izany toeran’ny Filoha lefitry ny CENI izany, hany ka ilana kajikajy samihafa ny amin’ny olona tokony hapetraka amin’io toerana io.

Raha ny maraina tamin’ny 10 ora moa no tokony hanatanterahana ny fifidianana, tamin’ny 12 ora sy sasany anefa vao nantsoina hiverina ao an’efitra fivoriana ireo Solombavambahoaka satria mbola nikenonkenona tany ireo depiote avy amin’ny vondrona parlemantera IRD sy ny GPR, izay nanambara fangatahana fanemorana ny fifidianana avy eo.

Lanin’ny maro an’isa moa izany fanemorana izany ka namafisin-dRtoa Filoha fa mandala ny demokrasia ny Solombavambahoaka.

Mbola hivory moa, araka izany, ny birao maharitra ary hamaritra izay mety ho fotoam-pifidianana manaraka.

Marihina fa miisa 11 ireo kandidà ho amin’ity toeran’ny Filoha lefitry ny CENI ity.

Vous aimerez aussi