Midera sy mankasitraka ny ezaka ataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fikaroham-bahaolana eto amin’ny firenena ny fikambanana AV7. Nambaran’ny filohany atoa Andriamahanina Haja, fa matoa nandeha tany Frantsa ny Filohampirenena dia nikatsaka vahaolana ho famahana ireo olana eto amin’ny firenena izy. Teo ihany koa ny fitakiana ireo nosy manodidina na “îles éparses”. Nambaran’ny filohan’ny AV7, fa ny fanatanterahana ireo velirano dia saika tanteraka avokoa, 90% ny zavatra vita, hoy izy. Hita ihany koa ny ezaka sy fandrosoana ataon’ny filohampirenena, ka anisan’izany ny sosialim-bahoaka, ny fahasalamana, ny fijerena manokana ny tanora, ny fahavitan’ireo lalana, sns. Mbola vonona hanohana ny filohampirenena Andry Rajoelina ny fikambanana AV7 ary mendrika ny hotohanana izy amin’ireo zava-bitany, hoy hatrany Andriamahanina Haja filohan’ny fikambanana. Mangataka amin’ny filoha Andry Rajoelina ny filohan’ny AV7 fa mba jereo izy ireo fa fototra nijoroan’izao fitondrana izao sy ny zava-misy ankehitriny ny AV7, hoy izy. Mangataka amin’ny filoha ihany koa izy ireo mba hanefa ny onitra ho azy ireo fa efa ho 10 taona lasa izay mbola tsy nandray izy ireo. Avoahay atoa Filoha Rajoelina Andry ny onitra mba ahafahanay mihavotra”, hoy ny filohan’ny AV7. Manentana ny olona hijery baolina amin’ny alakamisy izao ny AV7 fa aoka tsy hanimba fotodrafitrasa fa mba hikajy izany isika vahoaka Malagasy hendry. Tohanan’ny AV7 ihany koa ny kabary nataon’ny filohampirenena Andry Rajoelina tamin’ny filoha Frantsay tamin’ny fitakiana ireo nosy manodidina, na teo aza ny ady hevitra. Ny AV7 dia efa nitaky sy nanohana ny fitakiana azy io teny amin’ny CCI Ivato. Avereno amin’ny Malagasy ireo nosy manodidina ireo mba higoka ny harena ao aminy vahoaka Malagasy, hoy hatrany ny filohan’ny AV7.
