Ny fampiofanana indray ireo ankizy “trisomie 21” eo amin’ny sehatra nomerika, no hetsika notontosain’ ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” sy ny “Fondation Yas”, ny sabotsy 20 septambra 2025. Ity hetsika “Inclusion numérique” ity izay notontosaina teny amin’ny “Maison du Numérique” eny Ankorahotra. Haharitra sabotsy impito izao fampisitrahana ireo ankizy manana toe-batana trisomia hisehatra misimisy kokoa eo amin’ny sehatry ny nomerika izao.
Ny vanim-potoanan’ny ankehitriny izay efa misokatra kokoa eo amin’ny sehatry ny nomerika. Antony hiompanan’ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” eo amin’izany sehatra izany ihany koa ho an’ireo ankizy manana toetena trisomia ao aminy. Amin’ny mahaolombelona rahateo dia mendrika ny hisitraka izany sehatry ny nomerika izany ny olona manana toetena trisomia. Ity hetsika “Inclusion numérique” ity izay efa miditra amin’ny andiany faharoa amin’ity volana septambra 2025 ity. Tamin’ny volana jona 2025 no nanatontosana ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy, ny andiany voalohany, tamin’ireo ankizy manana toetana trisomia nahavita fiofanana, ireo. Mba hahafahana manome lanja hatrany ireo ankizy manana toetena trisomia dia tsy mitsahatra mitady fiaraha-miasa amin’ireo malala-tanana, ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar”.
Ny “Down Syndrome Madagascar” na ny “DSM” dia fikambanana mikarakara sy mitaiza ireo ankizy mitondra toetena “trisomie 21” eto Madagasikara. Ny “Down Syndrome Madagascar” dia manambara fa ny “Trisomie 21” dia tsy aretina na ihany koa hoe hadalana fa toetenan’olona iray ara-tsiantifika. Izany hoe mihoatra iray amin’ny ara-dalàna ny isan’ny “chromosome” ao amin’ilay olona “trisomie”. Raha toa ka miisa 46 ny isan’ny “chromosomes” ao anatin’ny vatan’olombelona iray ara-dalàna dia miisa 47 izany eo amin’ireo olona manana toetena trisomia. Ny ahitana an’ilay mihoatra fahatelo dia ny ao amin’ny fahairaika amby roapolon’ny toerana amin’ny “chromosomes” amin’ny olombelona. Izay no nahatonga ilay hoe: “trisomie 21”. Ny “Tri” dia telo, ny “somie” dia ilay “chromosome” ary ilay “21” dia ilay ao amin’ny toerana fahairaika amby roapolo no misy azy.
Ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” na ny “DSM” dia efa niorina tamin’ny taona 2013. Misehatra amin’ny fanabeazana ireo ankizy manana toetena trisomia. Mampiofana azy ireo ihany koa indrindra fa ireo ray aman-dreny amin’ny fitaizana ireo zanaka trisomia. Manentanana ireo manodidina indrindra fa ny fitondram-panjakana mba hahafantaran’ny mpiara-belona fa olombelona toa antsika rehetra ny olona manana toetena trisomia. Manana zo feno tahaka ny olombelona rehetra ihany koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny “CEO Fondatrice Down Syndrome Madagascar”, Razafinjatovo Daniela Laza.


