“Andao ampio re izy”, io no lohahevitry ny fampisehoana ara-pilazantsara hotanterahan’ireo fikambanana Mpanakanto Ara-pilazantsara sy Antokom-pihira Mitambatra na ny MAAMMI, mba hanampiana ireo traboina any Toamasina, noho ny fandalovan’ny rivo-doza “Gezani”. Fampisehoana ara-pilazantsara izay hatao eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 14 martsa 2026. Ity hetsika tolo-tanana izay hifandimbiasana mpanakanto miisa 40 hiaka-tsehatra ity dia ho maimaim-poana ny fidirana raha afaka manolotra izay foiny ny tsirairay. Anisan’ireo hiaka-tsehatra ny tarika Gasy Tsara Midera, Noely, Fanilo, Antsa an’i Kristy, Ambohijatovo Fitiavana, Rojon’i Avo, Mialy Rakotomamonjy, Ndriana Ramamonjy sy ireo maro samihafa, araka ny fanazavana voaray, teny Antanimena, ny alarobia 11 martsa 2026.


