FIKAMBANANA « NY AMPINGA » : Hifaninana “takalo an-kabary” amin’ny “Salohifito”

“Hampandroso hatrany ifotony ny Teny sy ny Soatoavina Malagasy” io no teny filamatry ny fikambanana “Ny Ampinga” izay mampianatra ny fikabariana sy ny kabary malagasy amin’ireo vonona ny handranto fahaizana amam-pahalalana amin’izany indrindra fa ireo te handala ny soatoavina mahamalagasy. Ity fikambanana “Ny Ampinga” ity izay hanatanteraka fifaninanana “takalo an-kabary” izay hifanaovany amin’ny mpianatry ny “Salohifito”, ny alahady 11 may 2025, amin’ny 1ora tolakandro, eny amin’ny CEG Ampefiloha.

Ny fikambanana dia mbola miantso ireo fikambanana hafa vonona ny hanao “takalo an-kabary” amin’izy ireo. Fahaizana amam-pahalalana rantovina ao amin’ny fikambanana “Ny Ampinga” ny tontolon’ny kabary an-kafaliana sy ny manodidina ny kabary an-karatsiana. Tsy anavahana sokajy na lahy na vavy ary tsy anavahana taona ity fampianarana kabary izay maimaim-poana ity. Ireo te hianatra rehetra araka izany dia raisiny avokoa. Afaka misafidy toerana eny amin’ny CEG Bemasoandro Itaosy na EPP Antsahabe na CEG Ampefiloha na “Lycée Privé Fanoellie” Imerinafovoany Talatamaty na “Lycée Privé Anglican Saint Jean” Ambohimangakely, ireo te hianatra. Isaky ny alarobia sy ny sabotsy ary ny alahady amin’ny 2 ora tolakandro no fotoana ianarany izany.

Nanatontosa hetsika mahakasika ny kabary ny fikambanana “Ny Ampinga tsy maintsy mandroso”, ny 1 mai 2025, teny amin’ny CEG Ampefiloha. Niara-nilanonana sy niarahaba ny fikambanana “MMT”, ny fikambanana “Ny Ampinga”, ny 28 aprily lasa teo. Anisan’ireo nankalaza ny “Androm-pirenena ho an’ny kabary”, izay notontosaina teny amin’ny Trano Havoria Anosy, ny 15 janoary 2025, ihany koa, ny fikambanana “Ny Ampinga”, tamin’ity taona ity. Na ny fikambanana “Ny Ampinga” na ny fikambanana “MMT” dia samy mpikambana mivondrona ao amin’ny “Vondron’ny MPikabary Ankehitriny” na ny V.MP.A avokoa. Filoham-boninahitry ny fikambanana “Ny Ampinga”, Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena raha Rafaralahy Jean Chris sy Raherinirina Jose no filoha miara-mitantana ny fikambanana, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi