FIKAMBANANA "WMG" : Namoaka ny andiany "Lafatra"

Navoakan’ny fikambanana “Wednesday Morning Group”, na ny WMG, tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny foiben-toerany Ambatoroka, ny alarobia 11 martsa 2026, ireo mpiofana momba ny “digitale”, “informatique” sy ny “crochet” ary ny zaitra rehefa avy niofana nandritry ny telo volana tao aminy. Ity andiany izay miisa 14 ity dia nampisalorana ny anarana hoe: “Lafatra”.

Tanjon’ny fampiofanana izay iantsorohan’ny fikambanana ny mba hahatonga ireo mpiofana ireo hiasa tena. Dimy taona izao no nitantsoroka ny fampiofanana ny vehivavy malagasy mba hananan’izy ireo fahaleovan-tena avy hatrany eo amin’ny sehatry ny fihariana ny “WMG”. Ny taona 2025 dia nampianatra ireo mpiofana mahakasika ny zon’ny vehivavy ny fikambanana satria tsara raha mahafantatra ny zo sy ny lalàna ny vehivavy. Vina apetraka ny mba hananan’ny vehivavy fahaleovan-tena mba hahafahany manapa-kevitra amin’izay reheetra ataony.

Nandritry ny 60 taona nijoroan’ny fikambanana “WMG” dia nisehatra teo amin’ny lafiny ara-tsosialy hatrany izy. Efa aman-jatony ny isan’ireo mpiofana tao amin’ny fikambanana “WMG”, hatramin’izao. Ankoatra ireto mpiofana navoaka tamin’ny andiany “Lafatra” ireto dia nandray ny Andiany “Meva” izay niisa 20 ihany koa ny “WMG”. Nanomboka ny volana martsa 2026 dia misy sekoly fampiofanan’ny fikambanana ihany koa any Andakana. Manana sekoly fampiofanana eny Alakamisy Fenoarivo, ny “WMG”, araka ny fanazavana voaray, teny Ambatoroka.

Vous aimerez aussi