Ny tanora rehetra eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina dia entanina mba handray anjara, amin’ilay “Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora”, izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, eny amin’ny CCI Ivato, ny Alarobia 11 martsa 2026. Na tanora mpianatra na tanora mpiasa na tanora mpandraharaha na tanora avy amin’ny fikambanana maro samihafa na tanora misehatra amin’ny lafiny politika, sosialy sy ny maro samihafa dia afaka manatrika izany avokoa. Tsy anavahana sokajin’ny tanora ity hetsika ity noho izy io sehatra iray lehibe hahafahan’izy ireo haneho ny heviny. Ny tanora no hamolavola ireo lalana rehetra hitondrana ny firenena. Hanamora ny fandrindrana ny fikaonan-doha ny tompon’andraikitra mpikarakara, araka ny fanazavana voaray, teny Mahamasina, ny alatsinainy 9 martsa 2026.


