FILAMINANA MANDRITRA NY FAMPIELEAN-KEVITRA : Tsy handefitra ny mpitandro filaminana

Tsy handefitra manoloana izay mety ho karazana korontana ny mpitandro filaminana mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Fanambarana avy amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, ny zandary ny polisy ary ny tafika, izany, io maraina io, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava izy ireo.

Tokony hajaina ny lalàna

Nampatsiahy ireo kandidà sy ireo mpanara-dia azy ny mpitandro filaminana telo tonta ny amin’ny tokony hanajana tanteraka ny lalàna mba hisorohana ny tsi-filaminana mety hitranga.
Mety tsy mitovy ny lanjan’ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fifidianana depiote ary ny Ben’ny Tanàna, hoy ny Komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Njato Andrianjanaka, saingy samy manana ny maha-izy azy izy ireo ka samy zava-dehibe ho an’ny mpitandro filaminana.

Nambarany fa efa voapetraka amin’ny toerany avokoa ny mpitandro filaminana, amin’izao fotoana, ary efa voarindra ihany koa, indrindra indrindra, ny amin’ny andron’ny fifidianana.
Nentanina anefa ny olom-pirenena tsirairay mba handefa vaovao amin’ny mety ho fisian-javatra mitranga sy mampiahiahy. Nasainy ho tony kosa ireo olona miandraikitra mivantana ny fifidianana, toy ny kandidà, ny mpanohana, ny mpiandraikitra ny birao… eo am-panatanterahana ny asany avy.

Vous aimerez aussi