« FISASANA MIALA LOZA » : Lasa andoavam-bola ny renirano

Fomba iray fanaon’ny fianakaviana eto an-kibon’Imerina ny fandehanana mamonjy renirano manatanteraka fisasana rehefa tontosa ny fandevenana ny havana lasa nodimandry.

Io ilay hoe : « handeha hisasa »,  na ilay “Miala loza”. Fomba tsy maintsy hatao mandritra ny “fisasana miala loza” ankoatry ny fisasana faobe ny fanariana an-drenirano ireo akanjo sy kojakoja nampiasain’ilay havana nodimandry.

Mifanao fotoana ary manamboatra fandaharam-potoana matotra toy ireny hiatrika fitsangatsanganana iarahana ireny, araka izany, ny fianakaviana nidonam-pahafatesana. Raikitra eo, ny fanofana fiara manokana raha tsy manana, ny fanomanana sakafo iaraha-manjifa, ny zava-pisotro, fitaovana azo ialana voly tahaka ny daomy, ny karatra, kanety be, sns.

Tsy maintsy eny amin’ny renirano mandeha no hanatanterahana ny fisasana miala loza. Fomba iray hanehoana fa ho lasan’izay ny loto sy ny loza rehetra. Maro ny renirano azo hanatanterahana izany izay saika manodidina an’Antananarivo ny ankamaroany. Tsongaina amin’izany ny eny Ambohimalaza, Ambohimanambola.

Raha toa ka “bôjy” (tsy andoavam-bola) ny fanatanterahana izany teny amin’ireo toerana misy renirano mandeha ireo dia efa andoavam-bola hatrany amin’ny 20 000 Ar isaky ny fianakaviana izany ankehitriny. Efa misy olona manokana miandry ny renirano ary izy no manoro ny fomba amam-panao rehefa manatanteraka ny “fisasana miala loza” ny fianakaviana. Tazana tsy lavitra ny renirano ihany koa ireo andriambavilanitra miandrandra ny asa fanasana lamba. Marihana mantsy fa mandritra ny fisasana ihany koa no hanatanterahana ny fanasana ny lamban’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana.

Heverina, araka izany, fa ho lasan’izay ny ratsy rehetra koa mba ny fahasoavana indray no hanao tsy homby aloha sy hisesy.

Maro amintsika Malagasy no mihevitra fa finoanoampoana ny fanatanterahana ny “fisasana miala loza” aorian’ny fotoam-pandevenana.

Tsy vitsy no lohabolana mivantana fa tsy tokony hanao izany ny kristianina. Ny marina anefa, fotoana iray entina hanamafisana indray ny firaisankiana, ny fihavanana ary mba tsy hanjakan’ny fisaraham-bazana vokatry ny fahafatesan’ny olona iray eo anivon’ny fianakaviana ny fanatanterahana ny “fisasana miala loza”. Endrika ivelany hanehoana fidiovana taorian’ny loza ihany koa ity fomba Malagasy fanao eto an-kibon’Imerina ity.

Vous aimerez aussi