Kaoperativa 4 dia FIBAMI, KOFIZA, KOFIZAM ary ny KOFIBAMI no nanaiky ny fifanarahana fa hanao ny asa fitaterana ara-dalana, miainga eo amin’ny 67 ha ka hatreny Ambohitrimanjaka. Taksibe miisa 80 eo ho no hisahana izay fitaterana izay araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà. Raha ny nambaran’ity farany, dia efa tao anatin’ny 1 volana sy tapany teo izay no nanao ny fanentanana ny mponin’Ambohitrimanjaka ny mpitantana ny kaominina sy ireo mpanolontsaina ary ny mpiara miasa amin’ny Ben’ny tanàna niaraka tamin’ireo kaoperativa. Nisy noho izany ny fanatsarana ny fitaterana eny Ambohitrimanjaka, satria, maharay fitarainana amin’ireo mpiasa sy mpianatra ary mponina mipetraka eny an-toerana ireo tompon’andraikitra, ka nahatonga izay fanatsarana ny fitaterana izay. Nambaran’ny Ben’ny tanàna, fa tsy lavorary ny fitaterana rehefa maraina, ka any amin’ny 3 km vao mahazo taksibe ireo mpajifa. Rehefa amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 7 ora hariva tsy misy intsony ny taksibe, fa mody ny mpamily sy ny mpanampy. Ireo karazany taksibe hafa toa ny 163, taksibe Ivato no mody any Ambohitrimanjaka, ka izy ireny no mitatitra ireo mponina voatery milahatra lava be ireo, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Araka ny fanazavany, dia eny Ambodivona sy Ampahanimahitsy no ahitana izay filaharana lava be izay. Tsy maintsy manaraka ny bokin’andraikitra ireo kaoperativa 4 ireo, izay miasa maraina mankeny 67 ha ary mitatitra olona hatramin’ny 8 ora alina. Na vitsy aza ireo mponina mody eny Ambohitrimanjaka dia tsy maintsy haterina, hoy ny Ben’ny tanàna. Ireo taksibe tsy manao ny asany ara-dalana dia hisy ny sazy omen’ny kaominina sy zandary ary ny polisy monisipaly azy ireo. Ilaina ny faharetana amin’ny filaharana, hoy ny Ben’ny tanàna, satria mety ho tratry ny fitohanan’ny fiara ireo taksibe, ka tokony hanana faharetana ireo mponina. Voalazan’ny Ben’ny tanàna, fa rehefa feno ny “versement”n’ireo taksibe dia tsy miasa intsony izy ireo. Adidin’ny kaoperativa anefa no manao izay fitaterana izay, hoy izy. Misy ireo mpanara-maso ireo kaoperativa ireo, hoy ny Ben’ny tanàna, ka raha tsy manao ny fitaterana ara-dalana izy ireo dia ampidirina foriera 3 andro ary miafara amin’ny fisitonana ny “lisence” ary tsy manao ny fitaterana eny Ambohitrimanjakana intsony, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà. Farany, efa misokatra ihany koa ny “caisse mobile” ao amin’ny kaominina Ambohitriamanjaka izay natokana ho an’ireo be antitra sy ireo mpaka fisotro-dronono. Efa nanomboka tamin’ity volana septambra ity ny fisokafan’ity “caisse mobile” ity. Noho izany manan 5 andro voalohan’ny volana ireo zokiolona sy mpaka fisotro-dronono maka izany eny anivon’ny kaominina. 250 ireo zokiolona mpaka vola ary ny 80% n’izy ireo no efa nisitraka izany. Marihana, fa isaky ny faha 10 ny volana no maka ny volany ireo mpandray fisotroan-dronono.
