Tsy ahitana ilay “gel” fanasana tanana intsony, eny amin’ny fiara fitateram-bahoaka na taksibe amin’izao fotoana izao. Antony, lany ary tsy maharaka ny famatsiana intsony ny fitondram-panjakana. Araka ny fanazavana voaray tamin’ny mpamily taksibe sy tompon’ny fiara nanaovana fanadihadiana, dia ny fikambanana Fitia, izay tarihan’ny vadin’ny filohampirenena no mizara sy mitsinjara “gel” amin’ireo taksibe ireo, saingy, tao anaty andro vitsy (ndlr : herinandro izao) dia tsy nahitana io “gel” fanasana tanana io intsony, ny teny amin’ny taksibe. Gaga sy talanjona hatramin’ny mpandeha, nefa hatramin’izay, talohan’ny hidirana anaty fiara, dia manasa tanana amin’io “gel” io ny mpandeha, fa amin’izao tsy misy intsony izany, hoy ireo resevera sy ny mpamily. Araka ny feo re ihany koa dia ny tompon’ny fiara sy ny mpamily no mividy sy miantoka io “gel” io amin’izao fotoana izao, fa tsy misy intsony ny famatsiana, hoy hatrany ny tatitra azo.
Rehefa nandray an-tanana ny fizarana ny “gel” ny fikambanana Fitia sy ny fitondram-panjakana dia tokony hotohizana hatrany izany, hoy ireo mpamily, fa raha toa ka mbola hividy izany ny mpamily sy ny tompon’ny fiara, dia lasa vesatra ho azy ireo indray izany, satria, ny “versement” kely. Mbola hakana ny karaman’ny mpamily sy ny resevera io, dia mbola hividianana “gel”, dia inona no mba ho anay, hoy ny tompon’ny fiara tsy nitonona anarana. Tokony hijery vahaolana mikasika izany ny fitondram-panjakana, miaraka amin’ny ministera voakasika sy ny ATT, hoy hatrany ireto olona nitaraina ireto.
Hiverina hiasa
Araka ny tatitra voaray, dia nitohy teny amin’ny Tobin’ny Makis Andohatapenaka ny fivorian’ ireo Vondron’ny mpitatitra. Nivadika ho fihaonana tamin’ny Ben’ny tanàna ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena. Voalaza fa ny avy amin’ny UCTU ihany no nanao fihaonana. Maro ireo kaoperativa etsy andaniny no nilaza fa tsy mbola nahazo ny fanampiana ho azy ireo, toy ny mpitatitra eny Itaosy. Nilaza ny hiverina hiasa ireo mpitatitra rehefa tsy hita izay tena tatitra sy fehin-kevitra mazava mikasika ny tontolon’ny fitaterana. Mbola hiadian-kevitra hatrany kosa ny fiverenan’ireo zotra rezionaly sy nasionaly hiverina hiasa, ka andrasana ny tohiny.
