Boky miisa telo ahitana ny “Fanomezana hafa kely” mirakitra sombintantara, “Hainteny marevaka” ary ny boky “Anjaran-droa” Ireo no boky navoakan’i Fito miandalana na i Randrianiaina Mamison.
Ity farany izay Filohan’ny fikambanana “Seha-pibeazana loharano” misehatra amin’ny fanabeazam-boho ny maha malagasy amin’ny alalan’ny fampianarana kabary. Fito miandalana, mpikabary sy Mpampianatra kabary, mpitantara angano, mpanoratra boky. Mandia ny faha roampolo taona nijoroany ankehitriny ny fikambanana. Ny famoahana ireo boky niampy ny famoahana ireo mpianatra mpikabary misalotra ny anarana andiany “Mifaditrovana” Anarana nisaloran’ny Kaomisera prinsipaly Ranaivoson Alexandre tao anivon’ny kanto. Ity farany izay mpikambana navitrika sy nahavita be tokoa fony fahavelony teo anivon’ny fikambanana”Seha-pibeazana loharano”.
Eo ampamolavolana ny fananganana ny fikambanan’ny mpanoratra, mpisehatra ary ireo mpankafy Hainteny ankehitriny i Fito miandalana sy ny mpanjakavavin’ny Hainteny malagasy Rasoazanatsimba Abeline Eleonore. Ho fanandratana ny Hainteny malagasy sy ho fanabeazam-boho azy no antompisian’ny fikambanana, hoy, I Fito miandalana. Nomarihany fa vitsy no mahafehy ny Hainteny na ny tononkalo malala-drafitra mifototra amin’ny fampiasana ireo ohabolana sy ohapitenenana ny fandrafetana azy. Samy ahitana ireo boky telo navokan”i Fito miandalana avokoa ny trano fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, Àntso ary ny TPFLM Antaninarenina.


