Rakotondravao Sarobidy, avy any amin’ny faritra avaratr’Andringitra (Antanetiben’ny zaza manga), distrikan’Ambohidratrimo. Andringitra, iray amin’ireo Vohitra masina fanasinana noho ny fisian’ireo doany maromaro eny an-toerana.
Nomarihan’i Sarobidy fa fandovana sy fanomezam-pahasoavana avy amin’ilay Zanahary ny fahaiza-manao ananany amin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Nolovaina avy amin’ireo ray aman-dreny nipoirana (Dadabe sy Nenibe), hoy hatrany Rakondravao Sarobidy nanamafy ny fanehoan-keviny. Mifototra amin’ny fampiasana ny fomban-drazana, araka izany, ny fiomba fitsaboana entin’i Sarobidy hanasoavana ireo mpiara-belona aminy. Maro ireo akora entina hanatanterahany izany toy ny fampiasana ireo ravin-kazo, tany masina, rano eo koa ny fira vava (Hasin’ny vava amin’ny alalan’ny teny) sy ireo zava-manakasina, tromba, hasin’ireo Mpanjaka efa lasan-ko razana, sns…
Tsy ny aretina ara-batana ihany fa eo koa ireo karazan’olana mety hitranga eo amin’ny fiainana toy ny asa fihariana tsy milamina, fitiavana, tsy fahombiazana noho ny fisomparana, sns no hahatongavan’ireo Olombelona eny amin’i Sarobidy, Manjaka Ilafy. Marihana fa mpikambana feno eo anivon’ny Fikambanana miahy ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara « Antm » i Rakotondravao Sarobidy ary miara-miasa akaiky amin’ireo « Dokotera » nandalina manokana momba ny fahasalamana. Roa ambinifolo taona katroka no efa niseharan’i Sarobidy Rakotondravao teo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana. « Hasin’ny zaza manga » io no anarana nasalotr’i Sarobidy Rakotondravao ny toera-pitsaboana misy azy, etsy, Manjaka Ilafy. Samy manana ny hasiny avokoa ny olombelona tsirairay koa mila tandrovana hatrany izany mba hampirindra ny fiarahamonina. Nomarihan’i Sarobidy fa misy amin’ireo antokom-pivavahana sasantsasany ankehitriny no manimbazimba ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy. Mijoro hatrany hiaro izany ny « Hasin’ny zaza manga », hoy i Rakotondravao Sarobidy.
