« Tsy maintsy foanana ny kolikoly ary diovina ny Fitsarana ! ». Anisan’ny filazana hentitra nataon’ny Filoha Andry Rajoelina izany, io maraina io, raha nandalo tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy ny tenany, rehefa avy nizara « kit scolaire » teny amin’ny EPP Anosibe.
Ho hatsaraina ary harenina tanteraka ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana, hoy ihany ny Filoha raha namory ireo olon’ny filan-kevim-pitantanana amin’ity toeram-piasana ity izy. Izany no atao dia ho fanatanterahana ny efa voalaza ny amin’ny fanatsarana ny Fitsarana, araka ny nambarany nandritra ny fitsidihana ny fonjan’Antanimora, ny herinandro lasa iny.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

