FITSINJOVANA SY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mamadika ny tavoahangy plastika efa niasa ho fitaovana hafa ny tetikasa Kopakelatra

Nanomboka ny taona 2019 izay nisian’ny tetikasa Kopakelatra tao amin’ny orinasa Star dia tsy nitsahatra ny nitsinjo sy niaro ny tontolo iainana hatrany, ity orinasa ity. Fanangonana ireo tavoahangy plastika efa niasa ary mamadika izany ho fitaovana isan-karazany ho azo ampiasaina indray eo amin’ny fiainana andavanandro no nanatontosany izany fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana izany. Tanjon’ity tetikasa Kopakelatra ity rahateo izany.

Tsy manavaka marika tavoahangy plastika ny fanangonana fa rehefa tavoahangy plastika dia angonin’ny orinasa Star avokoa. Efa mahatratra 133 rahateo ankehitriny ny isan’ireo vata fanangonana tavoahanhy plastika miparitaka manerana ny faritra. Tavoahangy plastika miisa 5,4 tapitrisa na manodidina ny 156 taonina no efa voaangona sy voahodina nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao fotoana izao. Tontosa ny fanaparitahana vata noho ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny orinasa Star sy ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa aminy.

Vinan’ny orinasa Star ny hahombiazan’ity tetikasa Kopakelatra ity. Fomba iray entina hampihenana ny fiantraikany ara-tontolo iainana ateraky ny famokarana ataon’ny Star ny tetikasa Kopakelatra no maneho ny fandraisan’ny orinasa andraikitra ihany koa eo amin’ny fitantanana ny fako. Ireo tavoahangy plastika voaangona ireo izay mandalo dingana mazava tsara mialoha ny hamadihana azy indray ho fitaovana isan-karazany ho azo ampiasaina. Anisan’izany ny fanavahana, ny fanadiovana sy ny famotehana izao vao ny famadihana azy ireo ho fitaovana vaovao.

Kopakelatra - Star

Maro ireo vokatra azo avy amin’ny fanodinana ireo tavoahangy plastika ireo toy ny kofehy majinika (fibres): ireo kofehy ireo dia azo ampiasaina hanaovana akanjo na “doudoune” (palitao mafana). Eo ihany koa ny “Pavés autobloquants” izay vato azo ampiasaina amin’ny fanorenana sy fandravahana lalana na tokontany. Ny seza sy ny latabatra izay fitaovana fanaka azo ampiasaina ao an-trano na any ivelany. Vita amin’ny fomba voafehy, etika ary manaja tanteraka ny tontolo iainana avokoa ireo dingana rehetra ireo. Tsy mijanona hatreo ny ezaky ny orinasa Star eo amin’izay fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana izay fa manamafy hatrany ny orinasa.

Tetikasa Kopakelatra

Manaporofo izany ny fikasan’ny orinasa ny hampivoatra ny fandraisany andraikitra amin’ny alalan’ny fanitarana ny tetikasa Kopakelatra any amin’ny toerana vaovao sy hampitombo ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa izy ireo. Izany fanamafisana ny fandraisana andraikitra ary fampitomboana ny vokatra izany dia fomba iray entin’ny orinasa hiarovana bebe kokoa ny tontolo iainana sy hanomezana fahafahana ny vahoaka handray anjara amin’ny fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi