Hetsika iray natao hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra sy ny tantsaha mpamokatra ny “Tsenabe fivoarana” izay karakarain’ny fikambanana fivoi. Ny andiany fahaefatra amin’izany “Tsenabe fivoarana” izany no tanterahana eny amin’ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy, eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, nanomboka ny alakamisy 24 jolay 2025. Izy io izay tsy hifarana raha tsy ny alahady 27 jolay 2025. Ity “Tsenabe fivoarana” ity dia lalana iray entin’ny tompon’andraikitra mpikarakaraka, hitadiavana lalam-barotra ho an’ireo tantsaha mpamokatra. Antony hampifandraisany ny mpamokatra sy ny mpanangom-bokatra amin’ny alalan’ny fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra tahaka izao. Tanjona ny hahafahana mampandroso ny tsirairay satria ny fampandrosoana ny Firenena dia hanatsarana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Anton’izao “Tsenabe fivoarana” izao. Izany indrindra ihany koa no hanoloran’ny fikambanana fivoi fampiofanana matihanina ho an’ireo izay mila izany mba hanatsara ny velon-tenan’izy ireo. Hidinan’izy ireo eny ifotony mba hamantarana ny filan’ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy isaky ny kaominina. Ny 80 isan-jaton’ny Malagasy rahateo dia tantsaha mpamboly sy mpiompy avokoa. Ity “Tsenabe fivoarana” andiany fahaefatra ity no hamarana ny “Tsenabe fivoarana” amin’ity taona ity. Tsy hijanona eo anefa izany fa hitohy hatrany isan-taona. Ny “Tsenabe fivoarana” izay natomboka teny amin’ny kaominina Imeritsiatosika. Notohizana teny Arivonimamo sy Malalalondo izany avy eo ary izao nofaranana eny Mahitsy izao. Tanjon’ny fikambanan fivoi ny hampitety faritra ny “Tseanabe fivoarana”. Vina apetraka ny hampandroso hatrany ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakaraka ny “Tsenabe fivoarana”, ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine.


