FOMBAN-DRAZANA MALAGASY : Fantaro ny « Alahamadibe »

Ilay andro voalohany ao anatin’ny volana voalohany, anatin’ny « taona gasy». Io no atao hoe : « Alahamadibe » Rehefa tonga ireo Frantsay mpanjanatany dia tsy maintsy novaina ho « Taom-baovao Malagasy » ny niantsoana ny « Alahamadibe » noho ny fisian’ny lalàna nandrara ny fanatanterahana ny « Alahamadibe » nataon’ireo mpanjanan-tany.

Ny taona 1994 no naverina ho « Alahamadibe » ny niantsoana ity « Taombaovaon’ny Malagasy » ity. Fankalazana ny fiandohan’ny taona ara-pomban-drazana, araka izany, ny atao hoe : « Alahamadibe » Tsy mandeha irery ny fanatanterahana ny fankalazana ny Alahamadibe fa misy ny volana iray eo alohany izay antsoina hoe «Reniandro Alohotsy » na « Volam-pidiovana » Mandritra ny fandiavana ny « Alohotsy » na koa hoe : « Vola-padina » Amin’ny andro famaranana ny « Vola-padina » (Andro iray mialoha ny Alahamadibe) no hanatanterahana ny fidiovana mialoha ny hidirana amin’ny « Alahamadibe » Manodidina ny roa hatramin’ny telo andro ny fotoam-pankalazana ny « Alahamadibe » teo amin’ny « Gasy » Ny fandrehetana ny « afo tsy maty » izay tandindon’ny fiampitana amin’ny taona vaovao. Ny « afo tsy maty » izay nalaina avy amin’ny fanatanterahana ny arendrina no fanokafana ny fankalazana ny « Alahamadibe » Tsy vonoina ny « afo tsy maty » raha tsy migadona ny famonoana ny omby izay tanterahana ny ampitso. Ny marainan’nyAlahamadibe dia mbola misy ny fombafomba fidiovana izay arahan’ny « tsitsika » na ny fametrahana ireo teny na fangataham-pitahiana eo anatrehan’ilay Andriamanitra Andriananahary mba hotanterahany ny teny natao izay miendrika firariana ny soa sy ny tsara ary fanambinana ho amin’ny fandiavana ny taona vaovao. Ireo Ray aman-dreny ara-drazana (Masim-bava sy masin-teny) no manatanteraka ny « tsitsika » ho an’ireo vahoaka mpanatrika. Aorian’ny fanatanterahana ny « tsitsika » dia miroso amin’ny « Tolotra hasina » ny rehetra. Fahiny dia izay zavatra voatsirambin’ny tanan’ireo mpanatrika ny « Alahamadibe » toy ny vokatry ny tany sy ny fiompiana, taozavatra no nentina nanatanterahana azy. Taty aoriana dia nosandaina vola ny « tolotra hasina » Ankehitriny, miseho amin’ny endrika vola anaty valopy ny « Tolotra hasina » izay azo ambara ankehitriny amin’ilay hoe : fanomezana « tso-drano » izay mariky ny fandraisana anjara amin’ny « Joro » hatao anatin’ny « Alahamadibe ».

Rehefa tontosa ny « tolotra hasina » dia irosoana avy hatrany ny « Joro Alahamady » Azo atao tsara ny manatanteraka ny « joro » amin’ny famonoana akoho ary afaka ampitomboina amin’ny vono Omby ihany koa izany. Marihana fa tsy manao « Joro » na sorona Olombelona ny fomban-drazana malagasy noho izy mandala sy manome hasina ny «aina » Izay irariany mandrakariva tsy hisaraka amin’ny vatana ny aina mba hahafahana manatontosa ireo adidy aman’andraikitra takian’ny fiarahamonina aminy. Rehefa tontosa ny « joro » dia miroso amin’ny fanomezana tso-drano ireo Ray aman-dreny. Rehefa vita izany dia raikitra ny « Dihin’ny Ntaolo » mariky ny fisaorana an’Andriamanitra Andriananahary noho ny fahatontosana antsakany sy andavany ny fankalazana ny « Alahamadibe » Mitohy hatrany ihany koa mandritra izany ny fangatahana fitahiana hataon’ny tsirairay. Miroso amin’ny « Zara hasina » izay mariky ny fanomezan-kasina (Eo amin’ireo mpikarakara sy mpanatrika) avy hatrany ny rehetra rehefa vita ny « Dihin’ny Ntaolo » Ireo mpikarakara ny « Alahamadibe » no manome hasina ireo tonga nanatrika. Ireo tonga nanatrika ihany koa dia mandray ary manome hasina ireo mpikarakara izay nanome ny « Tolotra hasina » Ilay omby novonina natao « Joro » no entina hanatanterahana ny « Tolotra hasina » Ahitana taratra ny fahaizan’ireo Ntaolo nizara ny adidy sy andraikitry (lamina ara-piaraha-monina) ny tsirairay teo anivom-piraha-monina ny « Alahamadibe » ary hahatsapana ilay soatoavina tokana aman-tany ananan’ny Malagasy izay noraiketin’ny kolontsain’ny « Alahamadibe ». Samy nanana ny hasiny avokoa, araka izany, ny isam-batan’olona koa tsy nahagaga raha nirindra sy nilamina ny fiainam-piaraha-monina tamin’ny ankapobeny. Mafy tamin’ny Malagasy ny tsy fahafahany mankalaza ny « Alahamadibe » izay azo adika tsotra ho fanilihana ny « Gasy » iray anatin’ny fiarahamonina izany. Hahafahana manandratra sy mametraka ny hasin’ny tsirairay, araka izany, ny fankalazana ny « Alahamadibe » Mety ny atao rehetra rehefa manaraka ny tononandro ny Malagasy. Tsy diso lalana, araka izany, ny Malagasy noho ny fisian’ny « Alahamadibe » izay teboka natao ho fanombohana ny zavatra rehetra kasaina hatao. Mila toavina sy hajaina mandrakariva ireo tetiandro efa napetrak’ireo Ray aman-dreny tany aloha mba hahafahana miandrandra ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Ny faran’ny volana martsa (29-31 martsa) hoavy izao no hanatanterahana ny Ivon’ny fankalazana ny « Alahamadibe 2025 » eny Ankazomalaza Ambohimanga raha tsy misy ny fiovana eo amin’ny toerana. Iarahana amin’ireo mpandala ny fomban-drazana malagasy. Mila madio ara-batana, ara-tsaina am-po ny rehetra hiatrika ny « Alahamadibe ».

Vous aimerez aussi