Nahavita fotodrafitr’asa maro ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, atoa Ramandehamanana Richard. Araka ny fanazavan’ny Goveronran’ny faritra, dia tetik’asa an’ny fiadidiana ny Repoblika no ankamaroan’ireo asa vitan’ny faritra ireo, hoy izy. Azo ambara fa nahavita fotodrafitr’asa goavana izao fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina izao, hoy ny Governora. Jamba ary tsy mahita ny asa fampandrosoana vitan’ny fitondram-panjakana izay sahy milaza fa tsy misy zavatra vitan’izao fitondrana mijoro izao, hoy hatrany ny nambarany. Mirehareha izahay aty amin’ny faritra Alaotra Mangoro, fa tena nahavita ny fitondrana ary mahavita mampandroso ny firenena ny Filohampirenena, raha tsy misy ny mpanakorontana sy ny sakana hataon’ny mpanohitra. Nambaran’ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro hatrany, fa isaky ny kaominina dia nahavitana fotondrafitr’asa maro izay nahitana Epp, Ceg, ny “Poste Fixe” sy “Poste Avancée” ny zandary, ny fanamboarana ny pave sy ny lalana isaky ny kaominina, ny tranom-pokonolona, sy ny sisa. Teo ihany koa ny fanarenana ireo fotodrafitr’asa hafa izay nahitana fahasimbana. Teo ihany koa ny fahavitan’ny barazy fampidiran-drano. Noho ny fandoavan-ketra nataon’ny vahaoakn’Alaotra sy ny “Riche Tourne” no nahazoana izany fotondrafitr’asa lehibe izany. Marihana, fa fotodrafitr’asa 41 amin’ny 61 no vitan’ ny faritra Alaotra Mangoro ary mbola vonona hamita ireo fotodrafitr’asa ambiny ny Governora, raha ny fanazavany hatrany.
