« …Ny toa azy… », andalan-tenin’ny soratra masina notsoahana avy ao amin’ny baiboly : « Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra ». Io no nisintonana ny anaran’ny Groupe « …Ny toa azy… », hoy i Sitraka, Raim-pianakaviana ary azo ambara ho vovonana iadian’ny lohan’ny Groupe « …Ny toa azy… ». Ity farany izay nitsangana ny faran’ny taona 2021.
Ankohonana iray 6 mianaka no mandrafitra ny tarika. Ahitana an’i Sitraka sy i Manitra (mitendry ny vatamaroafitsoka sy mihira). Mpivady niteraka an’i Mandranto (Mpitendry aponga maroanaka), Manovosoa (Gitara), Satry (Lokanga), ary i Sahaza izay efa mandalina ny tontolon’ny hira sy ny mozika ihany koa na mbola zaza aza.
Fahasoavana marolafy no narotsaky ny Tompo ho anay mianakavy noho ny fananana talenta mifameno eo amin’ny fikirakirana ny hira sy ny sehatry ny fitendrena zavamaneno, hoy i Sitraka koa tsy misalasala izahay mampiasa izany ho amin’ny fanabeazam-boho ny asa fitoriana sy fiderana an’Andriamanitra. Tombony ho azy 04 mianadahy ny fahafahan’izy ireo mampiara-dalana ny fihirana sy ny fitendrena zavamaneno rehefa eny an-tsehatra. Misandrahaka amin’ny gadona rehetra toy ny bagasy, batrelaky sud af, hiragasy, reggae, slow… ny lokon’ny mozika iangalian’ny Groupe « …Ny toa azy… ».
Azo ambara ho sehatra malalaka ahafahan’izy 4 mianadahy mamelatra miandalana sy manatevina ny talenta nomen-janahary azy ireo, araka izany, ny fandraisan’anjaran’izy ireo anatin’ny Groupe « …Ny toa azy… ». Mila fantarina ny talentan’ny zaza ary ampiana izy ahafahany mampivelatra izany miandalana, hoy i Sitraka.
Vinanasan’ny Groupe « …Ny toa azy… » ny hamoaka rakipeo amin’ny endrika kapila mangirana amin’ity taona ity sy ny fanatanterahana seho goavana ho fampahafantarana ny vokatra. Mialoha izany efa maro ireo mankafy ny tsanganasan’izy 06 mianaka tahaka ny « Nanosotra ahy » sy ny « Tiako ny mihira ho anao ». Hira noezahana narafitra sy narindra amin’ny endrika tsotra nefa kanto mba ho mora jifain’ireo mpankafy ny hafatra voarakitry ny tononkira.
