GROUPE « TAMMY FJ » : Mivoy ny « Afro beat »…

Tammy, midika hoe : « Tanala » avy any Manjaka Anadabo ary ny FJ, fanafohezana ny hoe : Florent sy i Junior. Ireto farany izay mpirahalahy mianala nanangana ny Groupe « Tammy FJ ». Mirona bebe kokoa ho amin’ny fiangaliana ny « Afro beat » izy mirahalahy ireto. Tsy mijanona hatreo amin’izay anefa fa mikaroka ny fomba hamokarana mozika vaovao avy amin’ny fampiarahana ny « Afro beat » amin’ireo gadon-kira hafa tahaka ny tsapiky sy ny Zouk love, sns…

Tombon-dahiny ho an’ny Groupe « Tammy FJ » ny talenta ananan’i Florent sy i Junior eo amin’ny sehatry ny famoronana. Mahafehy mitendry karazan-javamaneno maro ihany koa i Florent. Manana kalitaom-peo kanto misy angola sy matanjaka ihany koa i Florent sy i Junior. Mirakitra hafatra mafonja miendrika fanabeazana hatrany ireo vazonay, hoy i Florent ary hoezahana hatrany ny hanomezana vokatra kanto ho an’ireo mpankafy. Iray amin’ireo tsanganasan’ny Groupe « Tammy FJ » efa maro mpankafy ilay « Ka mandà » nojariana avy amin’ny fitadiavana ny marimaritra iraisana eo amin’ny « Afro beat sy ny « zouk love » izay efa vita rindran-tsary ombam-peo. Ny Tranom-pamokarana « Eto Avao Heky prod », tarihan’i Bruno Henri, ankehitriny no mandray an-tanana ny tarika. Vinanasan’ny « Tammy FJ » ho amin’ny taona 2025 ny fanaovana fitetezam-paritra any atsimo atsinanan’ny Nosy.

Hivoaka ny volana Janoary hoavy izao ny hira vaovao « Tsy nampoiziko » novokarina avy amin’ny fanambarana ny « afro beat » sy ny « tsapiky » avy any atsimo. Tarika iray hanana ny hoaviny mamiratra, araka izany, ny « Tammy FJ » noho izy ireo miroso hatrany amin’ny lafiny fikarohana mozika vaovao. Marihana fa mahafehy gadon-kira hafa toy ny « slow » ihany koa ry zalahy ireto.

Vous aimerez aussi